Ny fandresena ireo sakana amin’ny asan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Aogositra 2020

NEHEMIA 3.33-38

NEHEMIA 3.33-38
33 Ary rehefa ren'i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy, 34 dia niteny teo anatrehan'ny namany sy ny miaramilan'i Samaria hoe: Inona no ataon'ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin'ny lavenona miavosa va ireo? 35 Ary Tobia Amonita dia teo anilan'i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin'izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony. 36 Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin'ny tany izay ahababoany izy. 37 Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan'ireo mandrafitra izy. 38 Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin'ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.

Ny fandresena ireo sakana amin’ny asan’Andriamanitra

1-Reseo amin’ny vavaka

Rehefa ren’i Sanbala fa amperinasa ireo mpanangana ny manda , sady nandroso ny asa dia tezitra sy sorena mafy izy . Nihamafy ny fanoherana sy fandrabirabiana niseho imasom-bahoaka . Nokianiny ny mpanangana ny manda (nataony hoe : Jiosy osa) . Ho setrin’izany dia nanandratra vavaka fangatahana i Nehemia ( koa Sal 69.22-28 / 79.12 / 109.14 ). Jesoa koa nampianatra antsika hivavaka : « Tiava ny fahavalonareo, misaora izay manozona anareo…ary mivavaka ho an’izay manenjika anareo » (Mat 5.44) . Paoly Apostoly koa dia manafatra antsika hoe : « Misaora izay manenjika anareo , misaora fa aza manozona » (Rom 12.14) .

2-Reseo amin’ny finiavana

Tsy nanozona akory i Nehemia fa niankina tamin’Andriamanitra mpitsara marina Izy . Nataony izao satria ny fanoherana ny fanganana dia tsy fanoherana azy akory , fa fanoherana an’Andriamanitra tompon’ny asa (3.36-37). Fa hoy ny bokin’ny Ohabolana : »Raha noana ny fahavalonao , ome hanina izy , ary raha mangetaheta , omeo rano hosotroiny « (Oha 25.21-22). Ny asan’Andriamanitra dia ilàna finiavana manoloana ny fahavalo mpanenjika .Mety misy hakiviana , nefa tsarovy , fa hoy ny Tompo : »Indro , Izaho momba anareo  » . Koa mahereza e! aza kivy aminn’y finiavana hiasa , fa ny fahavalo dia ho resy .

Fanontaniana :

Mba misy toa an’i Sanbala ve ao amin’ny Fiangonana misy anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM