Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino.
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Aogositra 2020
Isaia 26 :1-4
Isaia 26 :1-4
1 Amin'izany andro izany dia hohiraina eto amin'ny tanin'ny Joda izao fihirana izao: Manana tanàna mafy isika; Famonjena no hotendren'i Jehovah ho manda sy fiarovana.Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino.
1-Maneho hira fiderana
Ireo olona mahatoky ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra no lazain’i Isaia hoe : « miandry an’i Jehovah » ary ny mpino rehetra dia tokony hatoky ny Tompo avokoa, ka miandry amim-panantenana. Ireo indrindra no manao izao hira fiderana izao. Nahazo toky izy ireo fa hanatanteraka ny fikasam-panavotany Andriamanitra, ka handrava ny ratsy rehetra sy hampiorina ny fanjakany . Ho anao izay navotan’i Jehovah, mendrika ho anao ny hanao hira fiderana ho fisaorana Azy.
2-Amin’ny saina tsy miovaova
Rehefa tonga ny andro mahory sy mahabe fanahiana, dia fantaro fa efa manakaiky ny fiafaran’ny tantara, kanefa dia arovan’Andriamanitra ao amin’ny fiadanana izay sisa tsy miovaova sy nifikitra tamin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka , feno toky sy fanantenana.Tsy maintsy mametraka fitokiana Aminy isika satria Vatolampy mandrakizay Izy (and.4) ary fanorenana mafy sady azo antoka.Tano izay anananao,aza miova,fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. Satria “eny” ny valin-teninao, dia aoka ho “eny”,ka tsy hiova hatramin’ny farany.
Fanontaniana :
Eo amin’ny fanompoanao ny Tompo, mety ve ny miovaova?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM