Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Aogositra 2020
APOKALYPSY 20.1-6
APOKALYPSY 20.1-6
1 [Ny amin'ny namatorana an'i Satana, sy ny amin'ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona] Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; 2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, 3 dia nanipy ary ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona. 5 Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino
Noho izany :
1-Satria niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona
Jaona no manambara izany amin’ny fomba fanehoany hevitra . Ny fanjakan’i Kristy arivo taona , na ilay antsoina hoe : « millenium » izay arivo taona no heviny (Arivo ny dikan’ny teny latina hoe : »mille » ary taona ny teny latina hoe : »annus » ).Ambaran’ny mpanoratra fa hiray fanjakana amin’i Kristy ny mpino izay mahatoky hatramin’ny fahafatesana , mbamin’ireo olona masina maritiora mandritra ny fahoriana .
2-Manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany
Ambara amin’izany ny fitsanganan’iKristy sy ny vahoaka mahatoky , niaritra fahoriana noho ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona rehefa tonga ny fiverenan’i Kristy . Anjara raisin’ny mpino koa izany , ho an’izay maharitra amin’ny finoana sy tsy mivadika amin’izay nekena . Raha tena mahatoky tokoa ny mpanara-dia an’i Kristy dia tsy ho diso anjara ary hisitraka izany amin’ny fiverenany . Mahereza ary aoka hanana fahavononana mandrakariva . Fa hoy ny Tompo : « izay itoerako no hitoeranareo koa » (Jao 14.3b) .
Fanontaniana :
Ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty no ivon’ny finoana kristiana . Hazavao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM