Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino

Mofonaina anio: Talata, faha 11 Aogositra 2020

2 KORINTIANA 6.1-10

2 KORINTIANA 6.1-10
1 Ary izahay mpiara-miasa aminy dia mangataka aminareo koa mba tsy handraisanareo foana ny fahasoavan'Andriamanitra 2 fa hoy Izy: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko anao (Isa. 49. 8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena; 3 fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin'inona na amin'inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; 4 fa amin'ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon'Andriamanitra izahay, dia amin'ny faharetana be, amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, 5 amin'ny kapoka, amin'ny fatorana, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny tsy fahitan-tory, amin'ny fifadian-kanina, 6 amin'ny fahadiovana, amin'ny fahalalana, amin'ny fahari-po, amin'ny fahamoram-panahy, amin'ny Fanahy Masina, amin'ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, 7 amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia, 8 amin'ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin'ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka, nefa marina ihany; 9 tahaka ny tsy fantatra, nefa fantatra tsara ihany ; tahaka ny efa ho faty, nefa, indro, velona ihany; tahaka ny faizana, nefa tsy atao maty; 10 tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.

Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino

1-Na eo  aza ny fanoherana ao anaty  fanompoana  .

Manambara amintsika mpamaky ny mpanoratra ny amin’izay zava-mitranga  eo amin’ny fanompoana , na eo amin’ny fanarahan-dia an’Andriamanitra . Tsy mora araka izay iheverana azy izany , fa mandalo sedra sy fanomezan-tsiny aza no maro. Tao anatin’ny fahaterena no nahitana ny fikirizana  ary fahaiza-mijoro tsara ao anatin’ny sarotra  . Na eo aza ny fifanoherana dia mijoro mandrakariva hatrany ny mpanompon’Andriamanitra  , eny na dia hiafara amin’ny fahafatesana aza izany .

2-Eo am-pamelomana ny fahasoavan’Andriamanitra

Amin’ity toko ity dia mamarana ny teniny  Paoly miaraka amin’ireo namany mpiara-miasa aminy (6.1) . Mitaona ny Korintiana izy mba hamelona ny fahasoavan’Andriamanitra miasa ao anatin’izy ireo . Hita taratra teo amin’ny fiainan’i Paoly izany ka nilazany sy namelomany indray ny fahasoavan’Andriamanitra tao aminy , ka hoy izy hoe : “Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naira-niasa tamiko” ( 1 Kor 15.10b.).

Ianao izay nantsoin’ny Tompo  ihany koa , dia velomy ny fahasoavan’Andriamanitra ao aminao . Mijoroa ho mahatoky , eny na dia hiafara amin’ny fahafatesana aza.

Fanontaniana :

Mety ho sakana amin’ny famelomana ny fanomezam-pahasoavana ve ny fifanoherana ao amin’ny fiangonana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM