Jesoa Kristy Mpanafaka

Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Jolay 2020

LIOKA 8.26-39

LIOKA 8.26-39
26 Dia nitody tany amin'ny tanin'ny Gerasena* izay tandrifin'i Galilia izy.[*Na: (Gadarena)] 27 Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin'ny fasana. 28 Fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra ô? masina Hianao, aza mampijaly ahy. 29 Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin'ny demonia niriotra nankany an-efitra izy. 30 Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny. 31 Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin'ny lavaka tsy hita noanoa. 32 Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny. 33 Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin'ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin'ny hantsana ho any amin'ny farihy, ka dia maty* tany.[*Gr. kenda] 34 Ary nony hitan'ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha. 35 Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin'i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan'ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo. 36 Ary izay efa nahita dia nanambara tamin'ny olona ny namonjena an'ilay demoniaka. 37 Ary ny olona rehetra tany amin'ny tanin'ny Gerasena* manodidina dia nangataka an'i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.[*Na: Gadarena] 38 Ary ny lehilahy izay efa nivoahan'ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin'i Jesosy izy ka nataony hoe: 39 Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon'Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran'ny tanàna izay zavatra lehibe nataon'i Jesosy taminy.

Jesoa Kristy Mpanafaka

1-Mamaha ny geja mahazo ny olona

« …ary tonga tany amin’i Jesoa izy , dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan’ny demonia , fa indro izy nipetraka teo an-tongotr’i Jesoa nitafy lamba sady ary saina  » (and 35)

Lehilahy iray nampahorian’ny demonia maro nandritra ny taona maro , tsy nitafy lamba , very saina , tsy tamana tany an-trano intsony fa tany am-pasana no tiany izay toeran’ny maty , na dia efa nofatorana tamin’ny gadra aza ny tànany sy ny tongony , kanefa notapatapahiny izany noho ny herin’ny demonia nangeja azy . Rehefa nifanena tamin’i Jesoa Kristy izany lehilahy izany dia nafahany tamin’ny herin’ny demonia , ka tonga nitafy lamba sy salama saina tsara . Jesoa Kristy manafaka ny olona amin’ny fatoran’ny fanahy ratsy ka manome azy fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina .

2-Ambara amin’ny olona

« Ary izay efa nahita nanambara tamin’ny olona ny namonjena an’ilay demoniaka  » (and 36)

Izay rehetra nahita ny asa lehibe nataon’i Jesoa dia samy nanambara izany tamin’ny hafa avokoa . Ny mpiandry kisoa izay nahita ny demonia nifindra tamin’ny kisoa dia natahotra ka lasa nankany an-tanàna sy tany an-tsaha ka nanambara izany . Izay rehetra nahita fa salama ralehilahy sady nody ny sainy dia nanambara tamin’ny hafa . Noho izany , ambarao amin’ny hafa ny famonjena sy ny fanafahana ataon’i Jesoa Kristy . Izay rehetra mahita ny asa fanafahana ny olona nataon’i Jesoa Kristy dia tokony hanambara izany amin’ny hafa .Tsy ny fanafahana nataony taminao ihany no ambara amin’ny hafa fa izay hitanao nataon’i Jesoa tamin’ny hafa koa dia ambarao .

Fanontaniana :

Inona ny fomba ataonao ho entinao manambara amin’ny hafa ny momba an’i Jesoa Kristy Mpanafaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM