Ny olona mitaraina amin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 28 Jolay 2020
Salamo 40,11 - 17
11 Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva. 12 Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. 13 Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy. 14 Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory. 15 Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay! 16 Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah. 17 Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.Ny olona mitaraina amin’ Andriamanitra
1-Mahatsiaro ny fahadisoana
« Nahazo ahy ny heloko…ka reraka ny foko » (and12)
Nanenjika an’i Davida i Saoly mpanjaka ka nandositra sy niery i Davida. Teo antrehan’izany dia nitaraina tamin’Andriamanitra izy ary nahatsiaro ny fahadisoana vitany . Tsapany ny fahalemeny sy ny harerahany vokatr’izany fahotana vitany izany . Raha mangataka sy mitalaho famonjena amin’Andriamanitra dia mila mahatsiaro ny fahadisoana , miaiky ny fahalemena eo anatrehan’Andriamanitra , mba hahazoana famindrampo sy famelankeloka amin’ny alalan’iJesoa Kristy zanany .
2-Mangataka ny sitrapon’Andriamanitra
« Aoka ho sitraky ny fonao , Jehovah ô ny hanafaka ahy , Jehovah ô , faingana hamonjy ahy » (and13)
Nangataka tamin’Andriamanitra ny mpanao Salamo mba ho sitrapon’Andriamanitra ny hanafaka azy amin’ny tànan’ny fahavalo . Tsy ho tanteraka mihitsy ny faniriany raha mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra izany . Miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena azy na tsia . Ho anao ihany koa , raha mitalaho famonjena amin’ Andriamanitra ianao dia angataho mba hifanitsy amin’ny sitrapony ny hamonjena anao fa tsy ny sitraponao . Fa raha sitrapon’Andriamanitra izany dia hovonjena ianao ho afaka amin’ny ratsy rehetra noho ny Rain’i Jesoa Kristy zanany ianao .
Fanontaniana :
Ahoana no fanaonao raha mitalaho amin’Andriamanitra ? Inona no tokony ilana fanitsiana amin’ny fomba fivavakao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM