Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Mpanafaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 27 Jolay 2020
LIOKA 4.14-21
LIOKA 4.14-21
14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany. 15 Ary Izy nampianatra teny amin'ny synagogan'ny olona ka nankalazain'izy rehetra. 16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny. 17 Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: 18 Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina, 19 Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah (Isa. 61. 1, 2). 20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga. 21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.Ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Mpanafaka
«Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany zavatra izany » (and21)
Teny nataon’i Jesoa Kristy izany , rehefa avy namaky ny voasoratra tao amin’ny bokin’ny Isaia mpaminany izay ahitana filazana fa « hanafaka izay nampahoriana » (and19) izy . Efa voalaza hatramin’ny ela ny fahatongavan’ i Jesoa Kristy hitondra fanafahana sy famonjena ho an’izao tontolo izao , ary tanteraka izany eto . Araka izany , tsy maintsy tanteraka ny teny rehetra nampitondrain’ Andriamanitra ny mpanompony na ho ela na ho haingana . Koa minoa ny Tenin’Andriamanitra rehetra voalaza ao amin’ny Soratra Masina fa tsy maintsy ho tanteraka izany .
2-Mitondra fifaliana
« Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny teny fahasoavana naloaky ny vavany » (and22)
Fantatr’ireto olona ireto i Jesoa satria mpiara-monina taminy ary nahatonga azy ireo ho gaga sy talanjona . Ankoatra izany , ny teny fahasoavana nataon’i Jesoa teo anatrehan’izy ireo no niteraka fifaliana ho azy , indrindra fa ny fahafantarany an’i Jesoa no Ilay Mpamonjy sy Mpanafaka , ka nahatonga azy nanome voninahitra an’Andriamanitra . Koa tsarovy mandrakariva fa miteraka fifaliana ho an’ny olona ny fahafantarany an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanafaka azy . Ary ny olona mahafantatra Azy ho Mpamonjy sy Mpanafaka ihany no mahay mankalaza an’Andriamanitra .
Fanontaniana :
Hatraiza ny finoanao ny voalazan’ny Soratra Masina ? Ahoana ny fihetsemponao raha mandre fa i jesoa no Mpanafaka ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM