Ny olona afahan’ Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Jolay 2020
2 Samoela 7,17 - 24
17 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida. 18 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho? 19 Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô. 20 Ka inona intsony no holazain'i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao. 21 Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao. 22 Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay. 23 Ary aiza moa no misy firenena et? an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny? 24 Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.

Ny olona afahan’ Andriamanitra

1-Mahatsiaro tena ho  tsinotsinona

« …Zinona  moa aho  Jehovah Tompo ô ? Ary  zinona ny  mpianakaviko novimbinonao  …aho ? (and 19)

Naniry   hanamboatra  trano   ho an’i Jehovah i  Davida , saingy  tsy neken’i Jehovah  izany  fa nampahatsiahy  ny fanafahany  sy nanome toky  azy kosa i Jehovah  fa homba  an’i Davida sy ny taranany  ka hiaro  azy amin’ny fahavalo  .Nanoloana izany  dia tsaroan’i  Davida  fa tsinotsinona izy fa  Andriamanitra lehibe  no manafaka azy . Araka izany , ny olona mahatsiaro  fanafahana sy mandray teny fanomezan-toky avy amin’Andriamanitra dia mahatsiaro  ny tenany  ho tsinotsinona manoloana ny fahalehibiazan’Andriamanitra  Mpamonjy  Azy , indrindra ny famonjeny tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

2-Manaiky ny fitondran’Andriamanitra 

« Fa ianao , Jehovah ô no mahalala ny mpanomponao . Noho ny teninao  sy araka ny sitraponao… » (and 20.21) .

Rehefa tsy navelan’Andriamanitra hanao  ny trano  ho Azy  i Davida dia nametrakany tokiny  amin’ny  teny  sy ny sitrapon’Andriamanitra  ,fa tsy   niady  hevitra tamin’izany  intsony , tsaroany ny efa nitondran’Andriamanitra ny fiainany  tamin’ny andro lasa  rehetra .Toy  izany ihany  koa isika ankehitriny, ny olona  mahatsiaro  ny fitondrana sy fanafahan’Andriamanitra azy  tamin’ny andro  lasa no manaiky  ny fitondrany  amin’ny andro  ho avy rehetra . Ary  izay lehibe indrindra amin’izany  dia ny  fanantenam-pamonjena sy fanafahana entiny  amin’ny alalan’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Hatraiza ny  fahatsapanao  ny fanafahan’Andriamanitra anao ? Hatraiza ny fanekenao ny fitondran’Andriamanitra ?

Sampana  Sekoly Alahady FOIBE FJKM