Ny fanafahana ny rahalahy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Jolay 2020

JEREMIA 34.8-11

JEREMIA 34.8-11
8 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, rehefa nanao fanekena tamin'ny vahoaka rehetra izay tany Jerosalema Zedekia mpanjaka hitory fanafahana aminy, 9 mba samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, dia izay Hebreolahy sy Hebreovavy, ho afaka, mba tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony. 10 Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka. 11 Kanjo taorian'izany dia nanenina izy, ka naveriny indray ireo ankizilahy sy ankizivavy izay efa nalefany ho afaka ireo, dia nandevoziny ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray.

Ny fanafahana ny rahalahy

1-Baikon’Andriamanitra

« Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’i Jehovah…tsy hisy hampanompo ny Jiosy rahalahiny intsony  » (and8,9) .

Tamin’ny andron’i Zedekia , mpanjakan’ny Joda , mialoha kelin’ny fahababoana no tonga tamin’i Jeremia ny baikon’Andriamanitra , ary nampitaina tamin’i Zedekia mpanjaka ho fanafahana ny Jiosy andevon’ny Jiosy izay andevozin’ny Jiosy rahalahiny ihany . Neken’ny mpanjaka izany ary nampitaina tamin’ny mpanapaka rehetra satria baikon’Andriamanitra . Araka izany , baikon’Andriamanitra ny fanafahana ny rahalahy amin’ny fanandevozana , indrindra eo amin’ny samy vahoakan’Andriamanitra . Manome fianarana ho antsika Andriamanitra tamin’ny nanomezany an’iJesoa Kristy hanafaka antsika.

2-Fihazonana ny fanekena

« eny manaiky izy ka samy nandefa azy ho afaka , kanjo taorian’izany dia nanenina izy... » (and10,11)

Efa nanao fanekena ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka fa hanafaka ny rahalahiny amin’ny fanandevozana ka efa nandefa azy ireo .Taty aoriana anefa , dia nanenina tamin’ny fanafahana ny rahalahiny tsy ho andevo izy ireo ka namerina azy indray ho andevo .Tsy nitana ny fanekena nataony , sady nandà ny baikon’Andriamanitra azy ireo . Noho izany , aoka ho marina amin’ny fanekena atao ho fanafahana ny rahalahy, indrindra fa raha efa nekena teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona izany . Mitana ny fanekena ataony Ilay Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy ka izay mabompo Azy dia tsy maintsy mitana ny fanekena nataony .

Fanontaniana :

Impiry ianao na efa nanao fanekena ? Manao ahoana ny fampiharanao izany eo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM