Jesoa Ilay MESIA

Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Jolay 2020

JAONA 4.25-30

JAONA 4.25-30
25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. 27 Ary tamin'izay dia tonga ny mpianany ka gaga, satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nanao hoe: Inona no tadiavinao? na: Nahoana no miresaka aminy Hianao? 28 Dia nandao ny sininy ravehivavy ary nankany an-tanàna ka nanao tamin'ny olona hoe: 29 Andeha hizaha izaroa Lehilahy izaroana, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; Izao angaha no Kristy? 30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesosy.

Jesoa Ilay MESIA

1-Manambara  ny tenany

« Hoy  Jesoa taminy : Izaho  izay miresaka aminao  no Izy » (and26)

Teo am-piandrasana ny fiavian’ny Mesia  na Kristy  ny Jiosy  tamin’ny fotoana niresahan’i Jesoa  tamin’Ilay  vehivavy   Samaritana . Tsy  Mesia hamonjy  izao  tontolo izao  amin’ny fahotana  anefa  fa Mesia hanafaka  azy  amin’ny  fanjanahan’ny Romana. Ity  vehivavy Samaritana  ity kosa  rehefa nandre ny fampianarana nataon’i Jesoa  dia nanantena   famonjena avy taminy  , na dia tsy fantany  aza fa Izy  no Mesia . Noho  izany  , nanambara  ny tenany  taminy  Izy . I Jesoa dia manambara  ny tenany amin’ny olona  miandrandra sy manantena  ny famonjena avy Aminy , eny fa na dia izay  tsy  mbola mahafantatra Azy aza.

2- Ambara amin’ny hafa

« Andeha hizaha izaroa lehilahy  izaroa » (and29) .

Vao nandre ny fanambaran-tena nataon’i Jesoa taminy  ity  vehivavy  Samaritana ity  dia nandao  ny sininy  teo am-pantsakana , ka nankany  an-tanàna nanambara tamin’ny olona  momba an’i Jesoa sady nitaona ny olona hanatona Azy . Ny finoany  ny Tenin’i Jesoa  no nanetsika   azy  hanambara izany  tamin’ny mpiara-monina  taminy . Araka izany  , ny olona mandre ny fanambaran-tena ataon’i Jesoa ka mino  izany   no manambara  izany amin’ny hafa . Mariky  ny finoana ny maha-Mesia  an’i Jesoa ny finiavan’ny olona  hanambara Azy  amin’ny hafa . Adidin’ny olona mandre  sy mino  ny Tenin’i Jesoa Kristy ny manambara amin’ny hafa mba hanatonan’izy ireo  an’i Jesoa handraisany  famonjena .

Fanontaniana :

Efa mino  ny fanambaran-tena nataon’i Jesoa ve ianao ? Inona ny andraikitra  efa noraisinao  taoran’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM