Ny olona mitady fanafahana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Jolay 2020
Salamo 54,4 - 7
4 Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko. 5 Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy. 6 Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy. 7 Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.Ny olona mitady fanafahana
1-Matoky ny fanohanan’Andriamanitra
« Indro Andriamanitra Mpamonjy ahy . Ny Tompo no mpanohana ny fanahiko » (and4)
Nenjehin’i Saoly mpanjaka i Davida ka niery tany an’efitr’i Zifa . Nihaona tamin’i Saoly tao Gibea ny Zifita ka nilaza taminy ny toerana nieren’i Davida . Nanenjika an’iDavida na aiza na aiza i Saoly ary fantatr’i Davida izany . Nitaraina sy nametraka ny tokiny tamin’Andriamanitra i Davida ary nanafaka azy Izy . Manoloana ny olana sy ny ady mahamay sedrain’ny olona dia mila mitodika amin’Andriamanitra izy , mametraka ny tokiny aminy , fa hanafaka azy Andriamanitra . Efa nomeny antsika i Jesoa Kristy hanafaka antsika amin’ny fahavalo rehetra . Koa matokia Azy dia hamonjy anao Izy.
2-Manome voninahitra an’Andriamanitra
« …hidera ny Anaranao aho Jehovah ô …fa efa namonjy ahy ho afaka tamin’ny fahoriana rehetra Izy » (and6,7)
Novonjen’ Andriamanitra tamin’ny tànan’iSaoly i Davida satria na dia nanenjika an’i Davida tamin’ny toerana rehetra niereny aza i Saoly dia tsy nahazo azy . Ny antony iray dia satria tonga ny Filistina hanafika an’i Jerosalema ka tsy maintsy niverina iSaoly . Afaka i Davida , nidera an’Andriamanitra izy. Noho izany , rehefa mahatsapa ny famonjena sy ny fanafahan’Andriamanitra azy ny olona dia manome voninahitra Azy , amin’ny alalan’ny fanaovana fanatitra , ary ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fanolorantena .Miderà an’Andriamanitra amin’ny fiainanao manontolo noho ny famonjena nataon’Andriamanitra antsika tao amin’i Jesoa Kristy .
Fanontaniana :
Iza no tokinao amin’ny fiainanao ? Inona no ataoano rehefa afaka tamin’ny olana nahazo anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM