Ny olona afaka amin’ny faharatsiana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 22 Jolay 2020
SALAMO 26.1-12
SALAMO 26.1-12
1 [Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho. 2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko. 3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho. 4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy. 5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho. 6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô, 7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra. 8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao. 9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà, 10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana. 11 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho. 12 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.Ny olona afaka amin’ny faharatsiana
1-Misaraka amin’ny mpanao ratsy (and2-4)
Ity dia salamo nosoratan’i Davida noho ny fikomiana nataon’iAbsaloma zanany taminy . Absaloma dia sady namono ny rahalahiny no naka ny fahefana maha- mpanjaka an’i Davida ihany koa . Nanoloana izany dia nandositra niala tao Jerosalema i Davida ka niery . Nambarany tamin’izany fa efa nisaraka tamin’ny mpanao ratsy , ny olon-dratsy , olom-petsy izy . Noho izany , raha tiana ny ho afaka amin’ny faharatsiana , ny ho madio tànana eo anatrehan’ Andriamanitra dia tsy maintsy misaraka amin’ny mpanao ratsy sy tsy miray tsikombakomba aminy . Amin’ izany dia ho afaka amin’ny faharatsiana ianao ka tonga olo-marina eo anatrehan’ Andrimanitra ary ao amin’iJesoa Kristy Ilay fahamarinana.
2-Maniry hitoetra ao an-tranon’Andriamanitra (and 6b-12)
Rehefa niala tao Jerosalema i Davida dia nahatsiaro ho lavitra an’Andriamanitra satria tsy afaka manao fanatitra ho Azy , lavitra ny fitoeran’ny Voninahitr’ Andriamanitra sy ny tany marina dia ao an-tranon’Andriamanitra izany . Maniry hitoetra ao an-tranon’ Andriamanitra i Davida mba hahafahany manalavitra ny mpanao ratsy , ka ho akaikin’Andriamanitra marina . Ankehitriny àry , mba misy olona maniry hisaraka aminn’y ratsy fanahy dia mila manatona fiangonana , izay mariky ny fanatrehan’Andriamanitra sady andrin’ny fahamarinana izy , ary indrindra ny Fiangonana maneho ny vatan’i Jesoa Kristy ety an-tany , ka izay manatona Azy dia manatona ny mpanafaka .
Fanontaniana :
Efa nisaraka tamin’ny mpanao ratsy ve ianao ? Manao ahoana ny fahazoana manatona Fiangonana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM