Ny  fitoriana ny Filazantsara

Mofonaina anio: Talata, faha 21 Jolay 2020
Asan'ny Apostoly 13,44 - 50
44 Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45 Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy*. [* Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3] 46 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay; 47 fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6). 48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra*; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [* Na: ny tenin'ny Tompo] 49 Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany. 50 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny.

Ny  fitoriana ny Filazantsara

 1-Natao ho an’ny olona rehetra(and 46)

Raha  nandre ny toriteny  nataon’i Paoly  tamin’ny andro sabata ny Jiosy  dia nialona azy  noho ny hamaroan’ny olona  nihaino  izany . Nambaran’i Paoly  tamin’izany  fa natao  ho lohalaharana amin’ny  fandrenesana ny Filazantsara  ny Jiosy  , saingy  raha nandà  izany izy  dia mbola  ao ny Jentilisa  izay vonona  hihaino  ny Tenin’Andriamanitra  . Noho izany  , ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy  dia natao  ho an’ny olona rehetra  . Ka  na dia misy  aza ny natao  ho laharam-pahamehana amin’ny fandrenesana izany  misy ny  tsy mety  mino  . Misy  kosa mahita  fifaliana amin’ny fihainoana azy  , fa izany  no làlana tokana hahazoana mandova ny fiainana mandrakizay .

2-Mampiharihary  ny toetran’ny tsirairay 

Samy  nanana ny fandraisany  ny toriteny  nataon’i Paoly  ny olona nihaino  azy . Tao  ny nialona azy  , noho   ny  fandrosoan’ny fitoriana ny Filazantsara  sady  «  niteny  ratsy » , izany hoe : nanohitra  ny maha-Kristy an’i Jesoa (and 45) , tao  ny nanao  ny  fomba rehetra mba handroahana an’i Paoly  sy Barnabasy  teo  amin’ny taniny  (and 50) , ary  tao  ny faly  indrindra raha nandre izany  (and 48) . Araka  izany  , ny  fitoriana ny Filazantsara  dia mampiharihary  ny miafina ao  am-pon’ny tsirairay  momba ny finoana an’iJesoa Kristy . Kanefa na mino  na tsy mino  an’i Jesoa Kristy   no olona nandre  ny Filazantsara  , dia feno  fifaliana sy Fanahy Masina  hatrany  ny  mpitory  , satria  nahatanteraka  ny iraka nampanaovina azy  dIa ny hitory  Filazantsara  amin’ny olona rehetra.

Fanontaniana :

Raha  mandre mpitory  Filazantsara ianao  , inona amin’ireo  toetra  voatanisa ireo  no mibahan-toerana ao anatinao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM