Ny irak’Andriamanitra hitondra fanafahana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Jolay 2020

MPITSARA 6.11-14

MPITSARA 6.11-14
11 Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana. 12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery. 13 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana. 14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?

Ny irak’Andriamanitra hitondra fanafahana

1-Andriamanitra no  miaraka aminy

« Jehovah no momba anao ry lehilahy mahery » (and 12)

Nampahorian’ny Mediana ny Israely ka nitaraina tamin’i  Jehovah  . Namaly azy ireo  Andriamanitra ka naniraka an’iGideona hanafaka azy . Na dia miaina ao  anatin’ny fahoriana aza i Gideona  dia nanome toky azy ilay anjely fa Jehovah no momba azy  . Araka izany , ny olona miaina ao anaty fahoriana mihitsy no antsoin’Andriamanitra hanafaka ny vahoakany , mba tsy hahatonga azy hitoky amin’ny herin’ny tenany fa amin’ny herin’Andriamanitra  . Koa matokia  ny herin’Andriamanitra amin’ny andraikitra nifidianany anao , tahaka ny niankinan’i Jesoa kristy tamin’Andriamanitra Ray  mba hahatanteraka ny iraka nampanaovina Azy .

2-Manome lanja ny iraka ampanaovina azy

« Vonjeo  ny Israely amin’ny tànan’ny Midiana . Tsy efa naniraka anao va aho ?» (and14)

Nisalasala tamin’ny iraka nampanaovin’Andriamanitra azy  iGideona , satria nijery ny maha-olona azy , ny fahakelezany , ny fahantrany , ny  toerana misy azy teo amin’ny ankohonana . Noheveriny ho sakana amin’ny fanatanterahana ny iraka  izany rehetra izany  .Tsy nataon’Andriamanitra ho sakana  tsy nifidianany  an’i Gideona anefa  izany  ary ny zava-dehibe dia ny fanekeny ho irak’Andriamanitra . Araka izany , ekeo ny antson’ Andriamanitra tonga aminao  fa aza manahy ny amin’izay mety ho fahalemenao sy ny hasarotry ny asa  . Omeo lanja ny iraka ampanaovin’ Andriamanitra anao . Tsarovy Jesoa Kristy fa tamin’ny fahantrana no nanaovany asan’Andriamanitra  . Mianara Aminy .

Fanontaniana :

Inona no sakana  mahatonga anao handà ny irak’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM