Jesoa Kristy mpanafaka
Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Jolay 2020
ROMANA 8.1-8
ROMANA 8.1-8
1 [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.Jesoa Kristy mpanafaka
1-Manafoana ny herin’ny fahafatesana
« Fa ao amin’i Kristy Jesoa ny lalàn’ny Fanahin’aina nanafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana sy fahafatesana « (and2)
Nahatsiaro ho nahafahan’i Jesoa kristy avy tamin’ny lalan’ny fahotana sy fahafatesana ho any amin’ny lalàn’ny Fanahin’aina i Paoly . Ny lalàn’ny Fanahin’aina dia hery mibaiko ny olona hananany faniriana hanao ny tsara hatrany . Izany hoe : mitarika azy ho amin’ny fahafenoan’ny fiainana . Izany hery avy amin’i Jesoa Kristy izany no nomeny ny olona mba hahatonga ny olona manana fiombonana aminy ho afaka amin’ny tontolon’ny fahotana sy fahafatesana ho any amin’ny tontolon’ny fiainana sy fahavelomana .Izay manana fiombonana amin’i Jesoa Kristy no manana fiainana ao aminy .
2-Manova ny fomba fisainan’ny olona
« Izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy » (and 5b)
Ampiasaina ny andianteny hoe : « mihevitra izay zavatry ny Fanahy » . Entina ilazana ny olona manana fiombonana amin’i Jesoa Kristy , efa nafahany tamin’ny herin’ny ota sy ny fahafatesana , ka lasa mirona amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny fisainany sy ny fieritreretany ary ny ataony . Marihana anefa fa tsy vitan’ny faniriana sy finiavana ary ezaka avy amin’ny olona no ahavitana manao izany fa noho ny fanafahan’i Jesoa Kristy irery ihany . Koa izay rehetra te- hanova ny fomba fisainana sy ny toetra amam-pihetsiny dia tsy maintsy manaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanafaka azy eo amin’ny fiainany .
Fanontaniana:
Efa iainanao ve ny fanafahan’i Jesoa Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM