Ny olona matoky ny fanafahan’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Jolay 2020

1 SAMOELA 17.34-47

1 SAMOELA 17.34-47
34 Fa hoy Davida tamin'i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin'ny ondry, 35 dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak'ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin'ny somony, ary nasiako ka matiko. 36 Ny liona sy ny bera samy novonoin'ny mpanomponao; ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny anankiray amin'ireny, satria nihaika ny miaramilan'Andriamanitra velona izy. 37 Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanan'io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin'i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah. 38 Ary Saoly nampiakanjo an'i Davida ny akanjo fiadiany ary nanisy fiarovan-doha varahina tamin'ny lohany sy nampiakanjo azy akanjo fiarovan-tratra*.[Vy na varahina nifanindritsindry lany tahaka ny kiran'ny hazan-drano] 39 Ary Davida namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany, dia nanandrana handeha; fa tsy mbola nahazatra azy izany, ka hoy izy tamin'i Saoly: Tsy afa-mandeha amin'ireto aho, fa tsy mbola nahazatra ahy; ary dia nesorin'i Davida izany. 40 Dia nitondra ny tehiny teny an-tànany izy sady nifidy vato kilonjy dimy tao amin'ny lohasahan-driaka, ka nataony tao anatin'ny kitapo fitondran'ny mpiandry ondry, izay teny aminy, ary ny antsamotadiny koa teny an-tànany; dia nanatona ilay Filistina izy. 41 Ary ilay Filistina nandroso nanatona an'i Davida, sady teo alohany ilay lehilahy mitondra ny ampinga lehibe. 42 Ary nony nijerijery an'i Davida ilay Filistina ka nahita azy, dia nianjonanjona taminy, fa tanora izy sady mena volo* no tsara tarehy.[Na: tendron-tava] 43 Ary hoy ilay Filistina tamin'i Davida: Alika angaha aho, no hatonin'ialahy amin'ny tehina? Ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina 44 sady nanao tamin'i Davida hoe: Avia et? amiko, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny nofon'ialahy. 45 Fa hoy kosa Davida tamin'ilay Filistina: Hianao manatona ahy amin'ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy; fa izaho kosa manatona anao amin'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny miaramilan'ny Isiraely, Izay efa nohaikainao. 46 Anio no hanoloran'i Jehovah anao amin'ny tanako, ary hamely anao aho ka hanapaka ny lohanao, dia homeko ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatin'ny miaramilan'ny Filistina anio, mba ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra tokoa ny Isiraely. 47 Ary ho fantatr'izao fiangonana rehetra izao fa tsy sabatra sy lefona no amonjen'i Jehovah; fa an'i Jehovah ny ady, ary hanolotra anareo ho eo an-tananay Izy.

Ny olona matoky ny fanafahan’ny Tompo

1-Manantena ny famonjeny

« Jehovah izay namonjy ahy … Izy no hamonjy ahy » (and37). Raha nisalasala tamin’ny ady hatao amin’ny Filistina i Saoly mpanjaka . I Davida kosa nanana fanantenana hahazo fandresena tamin’izany satria tsaroany ny famonjena sy ny fanafahana efa nataon’Andriamanitra taminy , raha niady tamin’ny liona izy . Toy izany ihany koa ny olona izay mahatsiaro ny famonjena izay efa nataon’Andriamanitra taminy tamin’ny andro lasa no manana fanantenana handresy amin’ny ady atrehany amin’ny ho avy . Ary ny fanantenam-pamonjena lehibe indrindra dia ny fanantenana handova ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa Kristy .

2-Miara-miady Aminy

« ...Fa izaho kosa manatona ano amin’ny Anaran’i Jehovah Tompon’ny maro » .(and 45b)

Rehefa nataon’i Goliata , miaramilan’ny Filistina tsinotsinona i Davida sy ny vahoaka Israely dia namaly izany fanimbazimbana izany i Davida ary naneho ny fahavononany hifanandrina amin’iGoliata . Natao amin’ny Anaran »‘i Jehovah izany ady izany satria « an’iJehovah ny ady » . Tsy efan’ny herin’i Davida samirery ny handresy an’i Goliata ka izany no niankinany tamin’i Jehovah , izay lehibe lavitra noho i Goliata . Noho izany , ny olona izay mahatsapa ny fahalemeny manoloana ny fahavalo mifanandrina dia manankina ny adiny amin’ny Anaran’ny Tompo , izay tsy hafa akory fa amin’ny Anaran’iJesoa Kristy Ilay herin’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Iza no antenainao amin’ny adinao? Iza no miara-miady aminao amin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM