Andriamanitra manafaka ny olony

Mofonaina anio: Zoma, faha 17 Jolay 2020

JEREMIA 31. 10-14

JEREMIA 31. 10-14
10 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny. 11 Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy. 12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony. 13 Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo. 14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.

Andriamanitra manafaka ny olony

1-Mamory indray ireo efa niely

« Izay mampiely ny Israely no hanangona azy indray sady hitandrina … » (and 10). Navelan’Andriamanitra ho babo tany Babylona ny Israely noho ny tsy fankatoavan’ireo ny didin’ Andriamanitra . Ankehitriny anefa , Andriamanitra tenany mihitsy no mampanantena fa « hanangona azy » ireo indray, izany hoe : hanafaka azy ireo avy any am-pahababoana ka hody any amin’ny taniny indray . Araka izany , safidin’Andriamanitra ny hanafaka ny olony ka hanangona azy indray , ho fanehoany ny heriny amin’ny tany rehetra . Ary izany no antony nanomezana an’i Jesoa Kristy , Ilay herin’Andriamanitra , hanafaka ny olona amin’ny fangejan’ny ota ho ao amin’ Andriamanitra indray .

2-Manome fiainana ho azy

 » Dia hitanjozotra ho any amin’ny zava-tsoan’i Jehovah » (and 12)

Rehefa mody avy any am-pahababoana ireto vahoaka ireto dia ho any amin’ny tany mamokatra vary , ranom-boaloboka , diloilo , mahavanona ondry amana osy izay miantoka ny andavanandrom-piainany . Mariky ny fifaliana sy fiadanana ary fiainana ny fananana izany . Araka izany , ny fanafahan’Andriamanitra eto , dia midika ho fanomezana fiadanana sy fifaliana ary fiainana ho an’ny olona . Ary izany no antony nanomezan’ Andriamanitra an’i Jesoa Kristy . Tonga tety an-tany mba hizara fiainana sy fiadanana ary fifaliana ho an’izay rehetra manaiky ho olony .

Fanontaniana :

Tsapanao eo amin’ny fiainanao ve ny fanafahana nataon’Andriamanitra taminao ? Ahoana ny fiaiinanao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM