Ao amin’i Kristy Jesoa

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Jolay 2020

GALATIANA 5.2-6

GALATIANA 5.2-6
2 [Famporisihana ny Galatiana tsy hahavery ny fahafahany, fa hazoto handroso amin'ny fitondran-tena tsara] Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. 3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy. 4 Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo. 5 Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana* ny fahamarinana. [* Na: fanantenan'] 6 Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana.

Ao amin’i Kristy Jesoa

1-Efa tena olona afaka (and1)

« Ho amin’ny fanafahana no nanafahan’i Kristy antsika » , hoy i Paoly . Fomban-teny Hebreo io , izay nadika tamin’ny teny Grika , ka matoanteny iray no ampiasaina hanomezana lanja ny heviny . Ny tena dikan’io izany dia hoe : tena efa nanafaka marina tokoa i Kristy. Koa anarin’i Paoly ny Galatiana eto hoe : efa fanafahana « tena izy » ny famonjena nataon’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana . Noho izany dia fanamaivanana ny famonjena ny fetezana mbola hogejain’ny lalàna indray ka nanaraka izany amin’ny antsipirihany , ary ny fanekena hofatoran’izany dia fianteherana amin’ny lalàna . Midika ho fiverenan-dàlana izany . Tsy ny fombafomba (famorana) na ny endrika ivelany no maha- olona afaka .

2-Ny finoana ihany no tena zavatra (and 6)

« Fa ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana  » . Mazava ny filazan’iPaoly azy , ny finoana an’i Jesoa no ambonin’ny zavatra rehetra . Rehefa mino an’i Jesoa dia ampy , sady izany no tena fahafahana , ary io finoana io koa no mibaiko ny olona amin’ny zavatra ataony rehetra , ary dia manjary miasa izy , miasa tsy an-tery fa amin’ny fitiavana satria tsy ny asa no hamonjena na hanamarinana azy . Fa efa voavonjy rahateo izy . I Paoly mihitsy moa no manao ny tenany ho ohatra ny amin’izany finoana izany .

Fanontaniana :

Ahoana marina no ahalalana ny olona efa tena ao amin’i Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM