Ny olona irahina hanafaka dia :

Mofonaina anio: Talata, faha 14 Jolay 2020

EKSODOSY 7.1

EKSODOSY 7.1
1 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an'i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao.

Ny olona irahina hanafaka dia :

1-Tsy miantehitra amin’ny herin’ny tenany (and1,2)

Rehefa nirahin’ Andriamanitra ho any amin’i Farao i Mosesy dia nitsotra izy hoe: : »tsy voafora molotra » , izany hoe: izano izay tsy mahay manoka-bava na koa hoe : votsa vava , tsy mahay miteny . Fantatr’i Mosesy tsara ny hadirin’ny asa apetraka aminy , satria efa niteny tamin’ny Zanak’Israely rahateo Izy fa tsy nohenoin’ireo . Nahalala ny fetrany i Mosesy , takany koa fa raha izy irery dia tsy hahatontosa ny andraikitra napetraka taminy , ary dia nitsotra tamin’ Andriamanitra izy . Ny Tompo kosa dia nanome an’i Arona ho mpitondra tenin’i Mosesy eo anatrehan’i Farao . Izany no mahafinaritra amin’ Ilay Andriamanitra ivavahantsika fa manolotra vahaolana sahaza amin’ny fotoana mety .

2-Miasa araka ny tokony ho izy ary mahavita (and 6)

Rehefa roso ho any amin’i Farao i Mosesy sy i Arona dia voalaza eo amin’ny and 6 fa « nataon’i Mosesy sy Arona izany « , izany hoe : notanterahiny tokoa izay nampanaovin’Andriamanitra azy ary tsy izany ihany fa tena « araka izay nandidian’i Jehovah azy no nataony « . Hita eto koa fa tsy izay noheverin’izy roalahy fa mety na izay nahafinaritra azy no nataony , fa ny torohevitra sy ny tari-dàlana avy amin’Andriamanitra hatrany. Izany no antoka nampahomby ny fanafahana ny Zanak’Israely tany Egypta raha tohizantsika ny tantara .Toy izany koa ny fiasan’i Jesoa :  izay fenitra nilan’ny Ray azy no nataony , eny na dia niafara tamin’ny fahafatesany aza izany .

Fanontaniana :

Inona no mahatonga ny olona manao ny asan’Andriamanitra araka izay heveriny fa mety fotsiny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM