Efa fiainan’ny olona afaka tokoa ve ny iainanao?
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Jolay 2020
1 PETERA 2.13-17
1 PETERA 2.13-17
13 Ary noho ny Tompo dia maneke izay rehetra voatendrin'ny olona, na ny mpanjaka, satria ambony izy, 14 na ny mpanapaka, satria nirahiny hamaly izay manao ratsy izy, fa ho mpidera izay manao tsara. 15 Fa toy izany no sitrapon'Andriamanitra, hampanginanareo ny tsi-fahalalan'ny olona adala amin'ny fanaovan-tsoa; 16 fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra. 17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.Efa fiainan’ny olona afaka tokoa ve ny iainanao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM