Jehovah ihany no mpanafaka

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Jolay 2020

ISAIA 51.9-11

ISAIA 51.9-11
9 Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona*? [Na: mamba; izahao Ezek. xxix. 3] 10 Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana? 11 Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

Jehovah ihany no mpanafaka

1-Azo antoka ny heriny (and9)

« Mifohaza , mifohaza ry sandrin’i Jehovah , mitafia hery... » ireo andianteny ireo dia milaza ny herin’i Jehovah , hery tsy hay tohaina , hery tsy miova ary hery azo ianteherana. Koa izany indrindra no mahatonga ny vahoakan’ Andriamanitra miantoraka aminy sy miandrandra ny heriny hanafaka azy ireo .

2-Mahagaga ny efa vitany (and10)

« Tsy ianao va ilay nahamaina ny ranomasina ... ». Tsy zavatra vao andramana akory ny herin’i Jehovah fa efa nasehony teo amin’ny tantara , ary efa niharihary tamin’ny fitondrany ny fiainan ‘ireto vahoakany ireto hatramin’ny fahiny .Tsy miantoraka amin-kazo tsy fantatra akory araka izany ny olony .Tsy diso làlana ianao raha mitoky amin’ny herin’i Jehovah.

3-Mahavotra ny vahoakany Izy (and 11b)

« Eny , ny navotan’iJehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny fihobiana... ». Noho ireo antony roa voalaza teo ambony dia mahazo toky ary feno fanantenana ireto vahoaka babo ireto fa mahavotra azy ireo i Jehovah ary hitondra azy ireo hiverinz any amin’ny taniny , dia ilay tany efa nianianan’iJehovah tamin’ny razany fa omeny ho lovany . Ny toloko sy alahelon’ny olona lavitra an’i Jerosalema dia fantany fa hain’ Andriamanitra aravona ka hody fifaliana sy fihobiana satria Andriamanitra mahery Jehovah . Azo antoka ny heriny , mahagaga ny efa vitany ary tsy miova Izy . Ary moa va tsy fanavotana tahaka izany no nataon’i Jesoa hanafaka antsika amin’ny fahotana ?

Fanontaniana:

Efa nodinihanao ve ny asa mahagaga nataon’ny Tompo teo amin’ny tantaranao ? mitondra inona ho anao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM