Miomana fa hiverina ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Jona 2020
LIOKA 21.34-36
LIOKA 21.34-36
34 Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35 Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra et? ambonin'ny tany rehetra izany. 36 Fa miambena* ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.Miomana fa hiverina ny Tompo
1-Tandremo ny fo (and34-35)
Mahagaga fa tsy ny voka-dratsin’ny toaka ny amin’ny taova hafa , toy ny vavony sy ny aty no ambaran’i Jesoa hotandreman’ny olona fa ny fony . Sao vesaran’ny vokatry ny fisotroana, satria ho avy amin’ny fotoana izay tsy ampoizina nyTompo. Mitondra ny olona ho amin’ny fahafinaretan’ny nofo ny fisotroana ka hanadinoan’ny olona ny fanahy , ary dia ho tampoka aminy ny fiavian’ny Tompo .
2-Tandremo ny amin’ny fiambenana
Izay mifanohitra amin’ny fo vesaran’ny filàna dia ny fiambenana sy ny vavaka mandrakariva.Tokony tsy ho tapaka ny fifandraisana amin’Andriamanitra mba hampitombo hery ny olona . Ny vavaka izay firesahana amin’Andriamanitra no fanatsarana izany . Izay tsara vavaka dia tsara fifandraisana amin’Andriamanitra ka tsy hanam-panenenana amin’ny hahatongavany .
Fanontaniana :
Efa vonona hihaona amin’ny Tompo ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM