Miova ny fiainana ao amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Jona 2020
ZAKARIA 8.14-17
ZAKARIA 8.14-17
14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho, 15 dia ho toy izany kosa no hisainako hanisy soa an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda amin'izao andro izao: aza matahotra ianareo. 16 Izao no zavatra hataonareo: Samia miteny marina amin'ny namany avy ianareo; mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo; 17 ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.Miova ny fiainana ao amin’ny Tompo
Vanimpotoana manamarika ny fiainan’ny Jiosy ny fotoana naminanian’i Zakaria fony izy ireo niverina avy tamin’ny fahababoana . Asongadin’ity perikopa ity fa Andriamanitra dia mandray andraikitra .
1-Mitondra fahasoavana ny Tompo (and14-15)
Nampahatezitra an’Andriamanitra ny nataon’ny Jiosy fahiny dia nilaza loza ho azy ireo Izy, ary tena notanterahany tokoa izany .Eto anefa dia milaza izy fa hanisy soa ny Jiosy indray. Ary tena tsy maintsy tanterahany izany satria tsy miverina Aminy ny Teniny raha tsy efa nahavita ny sitrapony (Isa 55.11) . Ny olona avy any amin’ny fahababoana dia isika ankehitriny , izay voaheloka tamin’ny ratsy nataontsika teo anatrehany nefa dia navelany heloka .Mariky ny famelany ny helontsika ny fikarakarany antsika (vakio 1 Jao 1.9).
2-Miova toe-tsaina ny olona (and16-17)
Satria Andriamanitra efa namerina ny olona amin’ny fiainana dia misy zavatra takin’Andriamanitra ihany koa . Izany dia tsy hoe : tambiny fa tena toetra mendrika ataon’ny olom-boavonjy . Miteny marina , mitsara marina , tsy mihevitra ratsy ao am-po amin’ny namany avy .Takiana hamoa voa tsara vokatry ny famonjena ny olona voavonjy .Jesoa dia efa nanafatra izany araka izay voasoratra ao amin’ny Matio 5.16.
Fanontaniana:
Marina amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa ve ianao ry voavonjy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM