Hatsarao ny fihavananao amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Jona 2020
ISAIA 58.6-12
ISAIA 58.6-12
6 Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? 7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao* ianao? [Heb. hiery ny nofonao] 8 Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao 9 Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy, 10 Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana; 11 Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra. 12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.Hatsarao ny fihavananao amin’ny Tompo
Maro ireo fomba fivavahana notanterahan’ny olona tamin’ny andron’i Isaia Mpaminany , izay noheverin’izy ireo hahazoana sitraka amin’ Andriamanitra .Anisan’ireny ny fifadiankanina .
1-Ataovy izay ankasitrahany
Tsy ny fifadiankanina no tsy sitrakan’ Andriamanitra fa ny toe-po sy toe-panahy entina manatanteraka izany . Izay ambara manokana eto dia ny fiahiana ny malemy na ny mahantra sy sahirana. Ny fifadiana dia fanehoam-pitiavana an’Andriamanitra ataon’ny olona manaraka ny didiny. Tiany hanatonantsika sy hampiharintsika amin’ny hafa izany fitiavana izany . « Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho , nefa mankahala ny rahalahiny dia mpandainga izy , fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany , ataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra izay tsy tiany ? » (1 Jao 4.20).
2- Ho entiny amin’ny fahatsarana ianao
Tsy mila vahiny Andriamanitra fa izay mandeha araka ny sitraky ny fony dia raisiny an-tànana ka entiny amin’ny fahatsarana (and11) . Ireto avy izany : hotarihany , hamafisiny hatramin’ny taolana , ho 1fitahiana tsy ho ritra, ho lavitry ny aizina sy fahoriana,tsy ho antsika ihany fa hatraminn’y taranaka any aoriana mihitsy (vakio Deo