« Manalavira izay teny lainga …» (and7a)
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 20 Jona 2020
Mihavana amin’ny Tompo
EKSODOSY 23.1-11
1 Aza manangan-tsaho foana. Aza mifandray tanana amin'ny ratsy fanahy ho vavolombelona mampidi-doza. 2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy; ary aza mamaly ny amin'ny adin'olona hivily hanaraka ny maro hamadika ny rariny. 3 Aza mandravaka ny tenin'ny malahelo eo amin'ny fandaharan-teniny ianao. 4 Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao, na ny borikiny, dia avereno any aminy mihitsy izany. 5 Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa. 6 Aza mamily ny rariny izay ananan'ny malahelo ao aminao, raha manana ady izy. 7 Manalavira izay teny lainga, ary aza mamono izay tsy manan-tsiny sy izay marina ianao; fa tsy hanamarina ny meloka Aho. 8 Ary aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ny mason'ny mahiratra sy mamadika ny tenin'ny marina. 9 Ary aza mampahory vahiny, fa ianareo mahalala ny fon'ny vahiny, satria efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ihany ianareo. 10 Ary enin-taona no hamafazanao amin'ny taninao sy hanangonanao ny vokatra; 11 fa amin'ny taona fahafito kosa dia hatsahatrao tsy hovolena izy, mba hisy hohanin'ny malahelo amin'ny firenenao; ary izay sisan'ireo dia mba hohanin'ny biby any an-tsaha kosa. Toy izany koa no hataonao amin'ny tanim-boalobokao sy amin'ny tanin'olivanao.« Manalavira izay teny lainga …» (and7a)
1-Aza miray raharaha amin’ny tsy marina
Vao nanomboka ity taona 2020 ity dia nisy ny toejavatra nampihorohoro izao tontolo izao ,dia ny fisian’ny valana aretina namoizana olona anetsinetsiny tamin’ny firenena maro. Natao daholo ny ezaka rehetra tsy hahatafiditra izany tamin’ny firenena maro satria mampidi-doza ho an’ny mponina. Eto amin’ity perikopa ity dia asaina mitandrina koa ny mpino amin’ilay aretina mpandringana dia ny “lainga” . Simban’izany ny fifandraisan’ny samy olona ary simba koa ny fifandraisana amin’Andriamanitra satria tsy manamarina ny tsy marina Andriamanitra.
2-Aza mety hatsangan’ilay ratsy ho zanany
Fa izay mampiavaka ny olona nantsoin’Andriamanitra ho Azy dia ny fanovany ny toetrany.Tsy toetran’Andriamanitra ny lainga.Fantantsika tsara fa Jesoa dia niteny mafy ny olona ny amin’izany lainga izany. “Hianareo avy tamin’ny devoly rainareo …Raha mandainga izy , dia ny azy no lazainy , satria mpandainga izy sady rain’ny lainga “ (Jaona 8.44) .Aza manova ny maha-zanak’Andriamanitra anao .
Fanontaniana:
Zanak’iza moa ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM