Tanteraho ny fifalian’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Jona 2020

FILIPIANA 2.1-4

FILIPIANA 2.1-4
1 [Anatra hamporisika ny Filipiana hitondra tena tsara sy hanetry tena tahaka an'i Jesosy Kristy] Koa raha misy famporisihana ao amin'i Kristy, raha misy fampiononana avy amin'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindram-po sy fiantrana, 2 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, 3 tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. 4 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an'ny namany koa.

Tanteraho ny fifalian’ny Tompo

Raha nanoratra ity Epistily ity ny Apostoly Paoly , dia ny mba hanasongadinana ny firaisan’ny mpino .

1-Miraisa saina sy fo (and1,2)

Ny fiombonana ao amin’i Kristy no ambaran’i Paoly eto. Izay mitondra zava-tsoa ho an’ny olona : mampahery , mampirisika amin’ny fitiavana , mampiombona amin’ny Fanahy Masina .Ireo rehetra ireo no mamolavola sy mahatonga ny olona ho amin’ny fahatsarampo sy fangorahana . Ambaran’i Paoly eto fa ireo no mahatanteraka ny fifaliany . Ary ny firaisam-po sy firasain-tsaina no kofehy hihazonana izany .

2-Mifankatiava

Ny fifampiandaniana izay mifanohitra amin’ny fifankatiavana no toetra iray asain’i Paoly tandremana tsara eto , satria mandrava ilay fiombonana . Vahaolana iray tsy hahatonga izany ny fanetrentena. Izany dia alaina tahaka ao amin’i Jesoa Kristy . Raha mamaky ny andininy manaraka ity Perikopa ity isika , dia omen’i Paoly izany fanetrentena nataon’i Jesoa Izany (vakio and 5 sy ny manaraka). Zava-tsarotra amin’ny olona ankehitriny izany fanetrentena izany , kanefa tsy maintsy ihoaran’izay ao amin’i Kristy mba hahatanteraka ny fifaliany .

Fanontaniana:

Inona amin’izay efa nataonao no tsapanao fa nahafaly an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM