Mihavana ao amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 18 Jona 2020
1 PETERA 3.8-12
1 PETERA 3.8-12
8 [Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. 10 "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; 11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).Mihavana ao amin’ny Tompo
Mamarana ny taratasy nosoratany eto i Petera ka mamintina sy mampahatsiahy izay foto-kevitra tiany ambara :
1-Aoka ho feno fiombonana (and8-9)
Misy zavatra maro tanisain’iPetera eto , fa raha fintinina dia izao : firaisan-tsaina , firaisampo eo amin’ny samy kristiana .Efa nataon ‘Andriamanitra ho iray ao amin’ny Tompo isika ka izay hiainantsika izany dia ny fiombonana.Ary izany fiombonana izany dia seho amin’ny fifandraisana amin’ny hafa . Izay ataontsika amin’ny namantsika ao amin’ny Tompo no ataontsika koa Aminy araka ny voalazany ao amin’ny Matio 25.38-40.
2-Aoka hiala amin’ny ratsy (and10-12)
Fandovam-pitahiana no niantsoan’ Andriamanitra ny olona ho ao Aminy (and9) , ary ny hahatanteraka izany no ilazany izay tokony hataontsika eto. Manomboka any amin’ny zavatra aloaky ny vava izany ka hatramin’izay ataon’ny tànana sy alehan’ny tongotra. Tsaroana amin’izany izay nambaran’i Davida araka ny Salamo nosoratany (vakio Salamo 34) .
Fehiny : Izay takian’i Petera eto dia ny hanahafantsika an’i Jesoa amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Satria Andriamanitra dia mitazana antsika , tsy ivelany fotsiny , fa hatrany am-po lalina any . Amin’izany dia tian’Andriamanitra ho tsara ny fijeriny antsika , satria tiany sady maminy isika.
Fanontaniana :
Inona no ezaka nataonao hanatsarana ny fifandraisanao amin’ny hafa?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM