Inona no efa nataonao  hanatsaranao ny fifandraisana amin’ny namanao?

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Jona 2020
Levitikosy 19,16 - 18
16 Aza mandehandeha manaratsy eo amin'ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran'ny namanao: Izaho no Jehovah. 17 Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. 18 Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.

MIHAVANA  AO  AMIN’NY  TOMPO

Mampiavaka ity toko faha-19 ity ilay Teny mialoha eo amin’ny and 2 hoe : « Aoka ho masina ianareo , satria Masina Aho  Jehovah Andriamanitrareo »  . Izany  no fototry ny zava-boalaza  amin’ny andininy manaraka rehetra.

1-Aza mifanaratsy (and 16)

Ny olona rehetra  tao amin’ny firenena dia voafidy sy natokan’Andriamanitra ho Azy. Koa ny fanaratsiana ny hafa dia midika fanaratsiana Ilay nifidy (vakio  Jao 15.16) .Izany rahateo  dia mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra  tiany hotanterahin’olona (1 Kor 10.24).

L’attribut alt de cette image est vide, son nom de fichier est sary.jpg.

2-Aza mifankahala (and17-18)

 Ny  fifandraisan’ny mpirahalahy  ambaran’ity perikopa ity  dia taratry ny fahamasinan-toetra ananan’ny olona  izay ao amin’Andriamanitra . Ambara mihitsy aza moa eto fa isaina ho isan’ny heloka ny fifankahalalana . Tsy  ny Andriamanitra  ivavahana ihany mantsy  no tokony iombonan’ny olona  fa ny toe-panahy  sy toe-tsaina ihany koa. Ny fifankahalana no fototry ny fisarahana , fa ny fifankatiavana kosa  no fototry ny  fiombonana ao amin’Andriamanitra . Jesoa dia nanamafy izany  , araka ny voalazany hoe : “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo  raha mifankatia” (Jao 13.35).

Fanontaniana :

Inona no efa nataonao  hanatsaranao ny fifandraisana amin’ny namanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM