Josafata mpanjaka
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Jona 2020
1 MPANJAKA 22.41-45
1 MPANJAKA 22.41-45
41 [Ny nanjakan'i Josafata tamin'ny Joda, sy Ahazia tamin'ny Isiraely] Ary Josafata, zanak'i Asa, vao nanjaka tamin'ny Joda tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely. 42 Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin'i Sily. 43 Ary nandeha tamin'ny lalana rehetra izay nalehan'i Asa rainy izy ka tsy niala tamin'izany, fa nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah; 44 kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany. 45 Ary Josafata nanao fihavanana tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely.Josafata mpanjaka
Mpanjaka mahitsy teo imason’ny Tompo (and43)
Anisan’izay nampalaza sy nampiavaka an’i Josafata dia noho izy mpanjaka nandeha araka ny sitrapon’ Andriamanitra . Antony nampaharitra azy tamin’ny fitondrana ny fanjakana izany .Asehon’ny tantara fa Andriamanitra no manome fahefana ny mpanjaka ho an’ny vahoaka .Koa izay mpanjaka nitondra ny fanjakana araka ny sitrapony dia haharitra amin’ny fitondrana , fa izay mahafoy Azy kosa dia tsy haharitra ela amin’ny seza fiandrianana .
1-Mpanjaka manan-kilema(and44)
Na dia nanao ny sitrapon’Andriamanitra aza i Josafata , tsy nandrava ny sampy teo amin’ny fanjakana izy .Aseho avy amin’izao ny fahalemeny . Te- haneho amintsika ny mpanoratra fa tsara ny mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra , saingy tsy ampy izany raha tsy misy fandraisana andraikitra .Adidin’izay mitondra sy mitarika ny mandrava izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny fotoana itondrany . Andraikitry ny mpitondra ny mitarika ny vahoaka handrava izay manohitra an’ Andriamanitra .
2-Mpanjaka tia fihavanana (and45)
Mpifandrafy ary tena mpifahavalo ny fanjakana Avaratra sy Atsimo teo amin’ny Zanak’Israely taorian’ny fivakisan’ny fanjakana ho roa . Aseho anefa eto fa te-hihavana Josafata .Tiany hiverina ny firaisan’Israely. Tsy tiany ho ravan’ny fizarazarana ny vahoaka Israely . Mpanjakan’ny firaisan-kina i Josafata .Tia fihavanana izy .Adidin’ny mpitondra tokoa ny mampihavana , fa izany no maha- zanak’ Andriamanitra , hoy i Jesoa .Soa fianatra ny nataon’i josafata ho an’ny mpitondra rehetra eto amin’izao tontolo izao .
Fanontaniana :
Inona avy no adidin’ny mpitondra fanjakana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM