Ireo antony mahatonga ny fahatafitohinana
Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Jona 2020
MARKA 9.33-50
MARKA 9.33-50
33 Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana? 34 Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra. 35 Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy. 36 Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany: 37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy. 38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika. 39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. 40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany. 42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy. 43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo*, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [* Gr. Gehena] 44 * [* Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] 45 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo. 46 * [*Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] 47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo; 48 any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina. 49 Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra*.[*Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina] 50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.Ireo antony mahatonga ny fahatafitohinana
Na dia efa nianatra tamin’i Jesoa nandritra ny telo taona aza ny Apostoly dia hita teo amin’izy ireo ihany ny maha- mpanota azy . Rehefa niseho ny maha-olona azy ireo dia tonga nisy olana rehefa :
1-Misy mihevi-tena ho lehibe mihoatra ny sasany Ilay niteraka ny adihevitra teny an-dàlana eto amin’ity tantara ity dia ny fitiavana te-hahalala izay lehibe teo amin’ny mpianatra .Asehon’ny tantara fa olombelona ireto mpianatra ireto ka tratry ny aretin’ny fitiavam-pahefana sy fanambonian-tena, na dia niaraka tamin’i Jesoa izay mpanetry tena aza, dia tsy mba nandray ny leson’ny fanetre-tena. Rehefa tena tsy mandray marina an’i Jesoa sy ny maha-izy azy aza dia tratry ny toy izao . Anisan’ny olana atrehin’ny Fiangonana ankehitriny ity tsy fahaiza-manetry tena ity .Samy te-ho lehibe avokoa ny rehetra ao amin’ny Fiangonana .Samy te-hanam-boninahitra mihoatra ny sasany ka manimba ny fiombonana.
2-Misy manilika ny hafa
Satria tsy mba niaraka tamin’i Jesoa sy ny mpianatra ireo olona namoaka demonia , dia noheverin’i Jaona fa tsy tokony hanao ny asan’ Andriamanitra .Aseho fa manana toe-panahy manilika ny hafa i Jaona. Amin’i Jesoa anefa , rehefa tsy manohitra ny Filazantsara dia mpiara-miasa avokoa. Matetika ny mahavoa ny kristiana dia izao: rehefa tsy mpiray fikambanana , tsy mitovy firehana , tsy mpiara-mihazakazaka, na dia samy asan’ Andriamanitra aza no atao dia ahilikilika .Ny tena mpiara-miasa amin’i Jesoa dia mazoto miara-miasa amin’i Jesoa sy amin’ny olona rehetra . Ny Fiangonana dia tsy manilika , na iza na iza miasa ho an’ny Tompo .Ny fiaraha-miasan’ny rehetra no mampandroso ny fanjakan’Andriamanitra .
Fanontaniana:
Inona avy no mahatonga ny fahatafitohinana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM