Tiava ny namanao
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Jona 2020
ROMANA 13.8-10
ROMANA 13.8-10
8 Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna. 9 Fa ny hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr'olona (Eks. 20. 13-17), mbamin'izay didy hafa rehetra, dia samy efa ao anatin'izao teny izao hoe: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). 10 Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna.Tiava ny namanao
Rehefa nanontaniana i Jesoa momba ny didy dia namaly tsotra fa ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana no didy lehibe indrindra .Ny fitiavana an’Andriamanitra dia mila aseho amin’ny fitiavana ny namana . Fa ny fitiava-namana tokoa dia:
1-Fanatanterahana ny lalàna (and8)
Antsoin’ny Soratra Masina isika amin’ny maha- kristiana antsika hanatanteraka izay voasoratra ao amin’ny lalàn’Andriamanitra . Fomba pratika no enti-manatanteraka ny lalàn’Andriamanitra ny fitiavana ny namana. Fomba famadihana ny teoria ho pratika izany. Fomba fanehoana ihany koa ny fitiavana an’Andriamanitra tsy hita maso . Ny fitiavana ny namana izay hita maso no porofo mivaingana maneho ny fitiavana an’ Andriamanitra tsy hita maso .Azo aseho tsara amin’ny alalan’ny fitiavana ny namana ny fitiavana an’Andriamanitra . Jesoa dia tena naneho izany , ary naharihariny aza izany raha teto amin’izao tontolo izao Izy.
2-Fiezahana manisy soa ny namana(and10)
Io fitiavana io , hoy i Paoly dia tsy manisy ratsy .Izany hoe: manao soa ny namana .Fomba ho enti-maneho ny fitiava-namana ny fanasoavana azy .Tsy zavatra tenenina ny fitiavana fa tena aseho amin’ny alalan’ny asa. Jesoa dia tena tia ny olona rehetra , noporofoiny ho hita maso tamin’ny alalan’ny asa izany. Ny làlan’ny hazo fijaliana no asa mivaingana naneho ny fitiavan’i Jesoa ny olona rehetra. Ary tsy ny olona rehetra ihany no tiany ,fa tiany Andriamanitra Rainy ka nekeny ny asa famonjena nasain’ Andriamanitra notanterahiny ho fanasoavana izao olona rehetra izao . Hoy mantsy Jesoa : »Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao , dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany » (Jao 15.13).
Fanontaniana:
Fomba manao ahona no itiavana ny namana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM