Ny olana fahita amin’ny Fiangonana kristiana
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Jona 2020
1 KORINTIANA 6.1-8
1 KORINTIANA 6.1-8
1 [Ny tsy mahamety ny miady eo anatrehan'ny tsy mino] Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina? 2 Sa tsy fantatrareo fa ny olona masina dia hitsara izao tontolo izao? Ary raha hitsara izao tontolo izao ianareo, moa tsy miendrika hitsara izay zavatra madinika indrindra va ianareo? 3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao. 4 Koa raha misy hotsarainareo ny amin'ny momba izao fiainana izao, moa izay ataon'ny fiangonana ho tsinontsinona va no tendrenareo ho mpitsara? 5 Hampahamenatra anareo no itenenako izany. Hay! dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray akory aza, izay mahay manamboatra ny adin'ny rahalahiny? 6 Fa ny rahalahy mandeha hiady amin'ny rahalahiny, na dia hotsarain'ny tsy mino aza. 7 Ary ankehitriny dia kilema aminareo ny anananareo* ady amin'ny namanareo. Nahoana no tsy aleo mandefitra ny tsy rariny aza ianareo? Nahoana no tsy aleo maharitra hambakaina aza ianareo? [* Na: matiantoka mihitsy ny fanahinareo, raha manana] 8 Kanjo ianareo indray no manao izay tsy marina ka manambaka na dia ny rahalahinareo aza.Ny olana fahita amin’ny Fiangonana kristiana
Anisan’ny Fiangonana mampasiaka an’iPaoly ny Fiangonana tao Korinto. Hita tao avokoa ny karazana olana fahita amin’ny Fiangonana. Ary ny famakiana ny soratr’i Paoly ho an’ny Korintiana dia mampiharihary ny olan’ny Fiangonana ankehitriny .Ireto no fahalemen’ny Fiangonana tao Korinto.
1-Nisy ady tao (and7)
Kilema no iantsoan’ i Paoly ny ady tao amin’ny Fiangonana tao Korinto . Amin’ny maha-olona na dia masina aza ny Fiangonan’ Andriamanitra dia manana fahalemena , miady ny kristiana ao aminy . Io ady io anefa dia sady mampahalemy no manala baraka ny Fiangonana .Tsy ilaozan’ny olana toy izany ny fiangonana ,tsy ilaozan’ny olona miady ka samy tokony handini-tena ny krstiana ao aminy . Ny famakiana ny tantaran’ny Fiangonana toy izao dia tena fangalana anatra amin’ny fomba hifampitondrana sy hifandraisana eo aminn’y Fiangonana kristiana ankehitriny .
2-Nisy fanambakana tao (and 8)
Hita tao Korinto koa ny fanambakana ny hafa. Ny tena mahamenatra dia iza : kristiana ao amin’ny Fiangonana ihany no manambaka ny kristiana toa azy. Ity fanambakana ny hafa ity koa no tonga fototry ny ady teo amin’ny Fiangonana .Asehon’ izao Epistily izao fa tena nisy tokoa olona tonga ao amin’ny Fiangonana ,tsy hitady famonjena fa manao izay mahamenatra sy manala baraka ny Fiangonana . Ny mahagaga dia mbola misy izany mandraka androany olona tonga mamboly korontana fotsiny ao amin’ny fiangonana .Tsy mba rototra amin’izay famonjena sy ny asan’Andriamanitra fa tena fitaovana eo am-pelatànan’ny maizina , manimba Fiangonana.
Fanontaniana :
Olana toy ny ahoana no fahita matetika ao amin’ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM