Mpianatr’i jesoa Kristy isika

Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Jona 2020

JAONA 13.34-35

JAONA 13.34-35
34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. 35 Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Mpianatr’i jesoa Kristy isika

Samy manana izay ihavahany amin’ny hafa ny fikambanana rehetra eto amin’izao tontolo izao ny Fiangonana dia fikambanana masina izay tena miavaka tokoa noho izy fikambanan’ny mpianatr’i Jesoa Krsty .Ny mpianatr’i Jesoa dia:

1-Mifankatia

Antsoin’i Jesoa hifankatia ny mino .Rehefa nantsoiny ho amin’izany fifankatiavana izany dia nomeny modely: ny fomba nitiavan’ijesoa no itiavana ny hafa.Toy izao izany fitiavan’iJesoa izany tsy nahajery tena fa mijery ny hafa mandrakariva , nampandefitra ny tombotsoan’ny tena mba hahazoan’ny hafa tombony bebe kokoa , nahafoy ny ainy sarobidy hamonjena izao tontolo izao.Izay milaza ny tenany fa mpianatr’iJesoa dia antsoina koa hanao toy izao nataony izao .Izany no tena mpianatr’i Jesoa Kristy tokoa.

2-Fantatra amin’ny fifankatiavana

Samy manana izay ahafantarana azy ny fikambanana rehetra.Misy izay fantatra amin’ny marika , amin’ny fihetsika, amin’ny fiakanjo sns….y mpianatr’i Jesoa kosa dia fantatra amin’ny fifankatiavana.Fantatra noho izy ireo mifandray amin’ny fitiavana marina tsy mihatsaravelatsihy, fantatra amin’ny fahafoizana ho enti-manasoa ny hafa ka tsy mba mitady valiny , na tombony manokana amin’izany. Hita taratra io fifampitondrana am-pitiavana io tamin’ny kristiana tao amin’ny Fiangonana voalohany .Mbola maro koa ny maneho ny maha-mpianatr’i Jesoa azy ireo amin’ny modelim-pitiavana napetrak’i Jesoa . Soatoavina tsy fanary , tsara tehirizina mandrakariva ary ampitaina ho amin’ny taranaka mandimby izao napetrak’iJesoa izao.

Fanontaniana:

Mbola azo fantarina amin’ny fifankatiavana ve ny mino?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYH2WprL' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43432) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200610' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.