Kristiana nantsoina hiadana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 08 Jona 2020
KOLOSIANA 3.13-15
KOLOSIANA 3.13-15
13 Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na: (Kristy)] 14 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. 15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.Kristiana nantsoina hiadana
Ambaran’i Paoly eo amin’ny and 15 fa nantsoina ho amin’ny fiadanana ny kristiana tao Kolosia. Ary ankehitriny dia mbola miantso antsika ho amin’izany ihany koa ny Tompo . Ahoana tokoa moa izany ?
1-Kristiana mifandefitra sy mifamela heloka (and13)
Amin’ny maha-olombelona antsika dia mpanota no iantsoan’ny Soratra Masina antsika. Mety ho diso isika , mety manao izay tsy mahamendrika eo amin’ny hafa . Araka izany dia tena ilaina ny mifandefitra amin’ny zavatra mety mahadiso. Zava-dehibe ihany koa ny fahaiza-mamela heloka , izay mahatsara ny fifandraisana . Fototra tsy azo ialana io voalazan’i Paoly ny amin’ny famelana ny heloky ny hafa io , toy izay nataon’ny Tompo tamin’ny tena .Mitoetra ny fiadanana rehefa mahay mifandefitra sy mifamela heloka ny mino .
2-Mifankatia marina(and14)
Rehefa be fitiavana toa an’Andriamanitra ny mino dia ho hainy ny mandefitra amin’ny zavatra rehetra sy hamela heloka ny hafa. Rehefa tena dinihana izay ambaran’iPaoly dia azo atao tsara ny mandrefy ny fitiavan’ny olona amin’ny fahaizany mandefitra sy mamela heloka . Be fitiavana ny olona toy izany . Azo atao tsara ny maneho amin’ny asa ny fitiavana ao amintsika .Raha miresaka fitiavana isika , dia i Jesoa no be fitiavana indrindra teto amin’izao tontolo izao . Vitany mantsy ny namela heloka na dia ireo olona nanombo Azy teo amin’ny hazo fijaliana aza. Tsy misy manana fitiavana lehibe toa ny Azy . Azo atao tsara anefa ny mangataka io fitiavana io Aminy .
Fanontaniana :
Rehefa manana ny fitiavan’i Jesoa isika , inona no asa mifanaraka amin’izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM