Fiaraha-monina voahodidina fitahiana

Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Jona 2020

SALAMO 133.1-3

SALAMO 133.1-3
1 [Ny mahatsara ny fifankatiavana] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony*; [Na: vozon'akanjony] 3 Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.

Fiaraha-monina voahodidina fitahiana

Raha vao  miresaka fiaraha-monina isika dia tsy tokony  hanadino  fa olona maro miara-miaina na miara-monina  no  ao , olona samy  manana izay fomba fisainany sy fijeriny kanefa miara-miaina . Voahodidina fitahiana ny fiaraha-monina iray izay mifampitondra toy ny mpirahalahy  ao amin’ny Tompo .

1-Kristiana miombona sy  miray (and1)

Ny hoe: miara-monina dia miombom-piainana .Tsy  nataon’ Andriamanitra hitoka-monina ny olombelona fa nataony hiara-monina ka tsy maintsy miombom-piainana . Mirindra sy milamina ny fiaraha-miaina rehefa mifankatia, ka tsy mba mihatsaravelatsihy ny mpiara-monina.Taomin’i Davida hifampitondra toy ny mpirahalahy  ny olona , indrindra ny kristiana , mifankatia marina. Tsy hoe: tsy  maintsy  hitovy  hevitra ny rehetra fa na dia samy  manana ny maha-izy azy aza ka samy manana ny fomba fijeriny sy fisainany dia fatoran’ny fifakatiavana kosa anefa .Io fitiavana io no mampiombona .

2-Kristiana manana an’I Jesoa Kristy  

Raha vao miresaka fiombonana isika , indrindra fa ny Fiangonan’ Andriamanitra no resahina dia tsy misaraka amin ny fiombonana amin’ i Jesoa izany. Zava-poana , poaka aty ny fiombonana tsy ao amin’i Jesoa Kristy . Jesoa  no tena mampiombona marina , ary ao Aminy vao tena azo antoka ny firaisana tena marina . Ao amin’i Jesoa  no azo antoka ny fahaiza-mifandefitra , mifanaja, mfamela heloka amin’ny firaisa-monina . Rehefa ao  amin’i Jesoa ny fiombonana sy ny firaisana vao tena mahatonga fitahiana ho an’ny rehetra.  Jesoa no antoka hitahian’Andriamanitra ny fiaraha-monina .

Fanontaniana:

Fitahiana toy ny ahoana no azo antenaina avy amin’ i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM