Fiaraha-monina voahodidina fitahiana

Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Jona 2020

SALAMO 133.1-3

SALAMO 133.1-3
1 [Ny mahatsara ny fifankatiavana] Fihirana fiakarana*. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha, Izay mitsororoka amin'ny somotra, dia ny somotr'i Arona, Izay mitsororoka amin'ny moron-tongotr'akanjony*; [Na: vozon'akanjony] 3 Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin'ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin'i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.

Fiaraha-monina voahodidina fitahiana

Raha vao  miresaka fiaraha-monina isika dia tsy tokony  hanadino  fa olona maro miara-miaina na miara-monina  no  ao , olona samy  manana izay fomba fisainany sy fijeriny kanefa miara-miaina . Voahodidina fitahiana ny fiaraha-monina iray izay mifampitondra toy ny mpirahalahy  ao amin’ny Tompo .

1-Kristiana miombona sy  miray (and1)

Ny hoe: miara-monina dia miombom-piainana .Tsy  nataon’ Andriamanitra hitoka-monina ny olombelona fa nataony hiara-monina ka tsy maintsy miombom-piainana . Mirindra sy milamina ny fiaraha-miaina rehefa mifankatia, ka tsy mba mihatsaravelatsihy ny mpiara-monina.Taomin’i Davida hifampitondra toy ny mpirahalahy  ny olona , indrindra ny kristiana , mifankatia marina. Tsy hoe: tsy  maintsy  hitovy  hevitra ny rehetra fa na dia samy  manana ny maha-izy azy aza ka samy manana ny fomba fijeriny sy fisainany dia fatoran’ny fifakatiavana kosa anefa .Io fitiavana io no mampiombona .

2-Kristiana manana an’I Jesoa Kristy  

Raha vao miresaka fiombonana isika , indrindra fa ny Fiangonan’ Andriamanitra no resahina dia tsy misaraka amin ny fiombonana amin’ i Jesoa izany. Zava-poana , poaka aty ny fiombonana tsy ao amin’i Jesoa Kristy . Jesoa  no tena mampiombona marina , ary ao Aminy vao tena azo antoka ny firaisana tena marina . Ao amin’i Jesoa  no azo antoka ny fahaiza-mifandefitra , mifanaja, mfamela heloka amin’ny firaisa-monina . Rehefa ao  amin’i Jesoa ny fiombonana sy ny firaisana vao tena mahatonga fitahiana ho an’ny rehetra.  Jesoa no antoka hitahian’Andriamanitra ny fiaraha-monina .

Fanontaniana:

Fitahiana toy ny ahoana no azo antenaina avy amin’ i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYu2pCDL' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43429) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200607' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.