Ireo didy mampiadana
Mofonaina anio: Zoma, faha 05 Jona 2020
DEOTERONOMIA 5.16.19
DEOTERONOMIA 5.16.19
16 Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.Ireo didy mampiadana
Ny bokin’ny Deoteronomia no boky ahitana fanazavana bebe kokoa momba ny didy nomen’ Andriamanitra an’i Mosesy .Araka ny fandinihan’ny mpahay Soratra Masina dia ahitana taratra ny asan’ny olona mpahay fiaraha-monina ny boky .Amin’ny mpanoratra ny didin’ Andriamanitra dia:
1-Mampiadana eto an-tany (and16)
« …mba ho maro andro ianao , ary mba hahita soa any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao ». Ny fanarahana sy fanatanterahana ny didin’Andriamanitra no miantoka ny fiadanana eo amin’ny tany izay nomen’Andriamanitra ny Zanak’ Israely . Tsy vitan’ny hoe : miadana fotsiny fa tena loharanom-pitahiana ho azy ireo mihitsy izany .Tsy mahafaty antoka araka izany ny manaja ray sy reny . Voka-tsoa azo tsapain-tànana no azo avy amin’izany .Raha tiantsika ny hanam-piadanana sy hotahiana eto amin’ity tany nomen’ Andriamanitra antsika Malagasy ity dia andeha hotandremana tsara ny didiny rehetra.
2-Manampy amin’ny fifehezantena (and17-19)
Anisan’ny loharanon’ny korontana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsy fahaiza-mifehy tena.Tsy mahay mifehy tena izay mangalatra , mijangajanga, mitsiriritra sns… Nomen’ Andriamanitra araka izany ny didy mba hifehezana ny tena tsy hanao izany .Raha vao miresaka didy anefa isika , dia izao no tokony hotsaroana mandrakariva : tsy afaka hahavita hankato izany isika raha tsy ao amin’i Jesoa izay nahatandrina tsara ny didy rehetra. Jesoa no afaka tena hanampy antsika amin’ny fanantanterahana izay takian’ny didin’ Andriamanitra amintsika. Manome hery ho amin’izany rahateo Izy .
Fanontaniana:
Inona no antony nanomezan’Andriamanitra ny didy folo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM