Ny antony hanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Mey 2020

EZEKIELA 36.22-30

EZEKIELA 36.22-30
22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.

Ny antony hanomezan’Andriamanitra ny Fanahiny

1-Fiarovana ny fahamasinany

Nanamavo sy nanao tsinotsinona ny Anaran’ Andriamanitra ny Zanak’ Israely tamin’ny fanompoana andriamanin-kafa , fanompoana ny sampy . Nihatra tamin’izy ireo ny famaizany ka nentina ho babo tany Babylona .Latsa-danja teo imason’ny Jentilisa noho izany anaran’ Andriamanitra .Hanamasina ny Anarany Andriamanitra amin’ny fanarenana ny fiainan’ny olona .Mifamatotra amin’izany ny fanomezany ny Fanahiny ho an’ny olona.

2-Fanavaozana ny olona

Feno fahalotoana ny fiainan’ny olona izay nanompo sampy , nanompo andriamanin-kafa .Andriamanitra fitiavana Izy ka nanafaka ny olona any amin’ny taniny .Rehefa izany , dia hanadio ny fiainan’ny olona amin’ny famazana rano sy fanomezana ny Fanahiny Izy. Raha manaiky ny fanadiovana ataon’Andriamanitra sy mandray ny Fanahy Masina ny olona dia ho tonga olom-baovao.

3-Fitarihana ny olona hiaina araka ny sitrapony

Rehefa manana ny Fanahin’Andriamanitra ny olona dia miova tanteraka ny fiainany , tonga olona tia sy mankamamy ny Tenin’ Andriamanitra (and27), tsy mandeha amin’ny faharatsiana intsony , ary mandray ny fiainam-piadanana omen’Andriamanitra ny vahoakany .Tian’Andriamanitra loatra ianao ka nomeny ny Fanahy Masina hitarika anao hamantatra ny sitrpony.Iaino ny sitrapon’Andriamanitra dia hiavaka ny fiainanao .

Fanontaniana:

Efa noraisinao ve ny fanomezana avy amin’Andriamanitra ho anao? Inona no vokatra nentiny teo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM