Ny Fanahy Masina sy ny asam-pamonjena
Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Mey 2020
Matio 12,22 - 30
22 Dia nentina tany amin'i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. 23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak'i Davida? 24 Fa nony ren'ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan'ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan'ny demonia. 25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26 Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan'ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra. 29 Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.Ny Fanahy Masina sy ny asam-pamonjena
“Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra” (and28)
1-Hery mitondra fanafahana
Talanjona ny vahoaka rehefa nahita fa nositranin’I Jesoa ilay lehilahy demoniaka , izay sady jamba no moana.Tsy faly kosa ny Fariseo ka indro niampanga an’iJesoa
. Nolazainy fa “Belzeboba lohan’ny demonia” no nentiny niasa. Namaly azy ireo I Jesoa ka nambarany fa tsy maintsy hery ambonin’izay hery nananan’ny demonia no nampiasainy handresena ny demonia mba hanafahana izay voafatony. Nambarany fa ny Fanahy Masina no nentiny namatotra ny herin’ny demonia sy nanafaka ilay voafatony ka nahatonga ilay lehilahy ho afaka sy nahazoany fahasitranana. Mazava araka izany fa ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany no afaka handresy an’ i satana sy hanome fiainana vaovao ny olona ;
2-Maneho ny fanjakan’ Andriamanitra .
Ny asan’ i satana dia mamatotra ny olona , mampahory azy mba tsy hananany ny tena fiainana.Miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina noho izany i Jesoa Kristy Tompo , mba hanafaka ny olona , hanala ny olona eo ambany fatoran’i satana , ka hitondra ny olona handray indray ny fiainana voaomana ho an’ny olom-boavonjy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra .Rehefa manaiky hiasan’ny Fanahy Masina ny olona dia afaka mahita ny fanjakan’Andriamanitra .Andriamanitra no mitoetra sy manapaka ny fiainany .
Fanontaniana :
Nahoana no mbola mamatotra olona maro ilay ratsy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM