Olona manana ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Mey 2020
ASA 4.18-31
Asan'ny Apostoly 4,18 - 31
18 Ary niantso azy izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin'ny anaran'i Jesosy intsony. 19 Fa Petera sy Jaona kosa namaly azy ka nanao hoe: Tsaraonareo na marina eo imason'Andriamanitra, na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra. 20 Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. 21 Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an'Andriamanitra noho ny amin'ny zavatra efa natao. 22 Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany. 23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.Olona manana ny Fanahy Masina
Notsaraina teo amin’ny Synedriona i Petera sy Jaona noho ny nanasitranany ilay lehilahy malemy.Norarana tsy nahazo mitory sy manambara ny amin’i Jesoa intsony izy ireo . Ny Fanahy kosa :
1-Mampijoro ny mpino
Mafy dia mafy ny fandrarana nahazo an’i Petera sy Jaona tsy hitory ny Anaran’i Jesoa Kristy intsony .Tandindomin-doza ny fiainany raha mbola mikiry manao izany izy ireo .Mazava anefa ny fanambarany : »Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitany sy renay « .Ny olona manana ny Fanahy Masina dia tsy voasakana , tsy matahotra , miroso , mijoro hatrany hanambara an’i Jesoa .
2-Mandresy
Manoloana ny fanambarana nataon’i Petera sy i Jaona dia very hevitra ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona .Tsy hitany izay antonjavatra « hampijaliana » azy ireo ary indrindra noho ny vahoaka resy lahatry ny asa notanterahina ka nankalaza an’Andriamanitra (and21).Vokany : nalefany izy ireo . Mariky ny fandresena ny fampihorohoroana izany.
3-Mampiankina amin’Andriamanitra
Rehefa tafaverina teo aminn’y mpianatra i Petera sy Jaona dia nitantara ny toe-javatra natrehany .Ny fahafantaran’ny mpianatra izany toe-javatra izay sy ny fisian’ny fanenjehana dia nanosika azy ireo hivavaka amin’Andriamanitra ka nametraka ny adiny sy ny asa fanompoana izay tsy maintsy hotanterahiny amin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Nahoana no misy mpino kristiana tsy sahy mijoro vavolombelona manoloana ny fanenjehana na ny sakana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM