Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Mey 2020

2 TANTARA 15.1-7

2 TANTARA 15.1-7
1 [Ny nananaran'i Azaria mpaminany an'i Asa, ary ny fahazotoan'i Asa handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah] Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda; 2 ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy. 3 Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna. 4 Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. 5 Ary tamin'izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin'ny tany. 6 Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana rehetra. 7 Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.

Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny

1-Maneho ny maha- Izy Azy an’ Andriamanitra

Notarihan’ny Fanahin’Andrimanitra i Azaria ka tsy nisalasala izy nanambara tamin’i Asa mpanjakan’i Joda ny toetran’ny fon’ny olona sy izay maha- izy Azy an’ Andriamanitra manoloana izany . Nambarany fa miankina amin’ny fihetsika na izay toetry ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra ny hetsika ataony .Rehefa manara-dia an’Andriamanitra ny olona ka manaiky hitady Azy , dia momba sy manohana azy hatrany Andriamanitra. Koa na dia misy aza ny toe-javatra samihafa miseho eo amin’ny fiainana dia tsy mamela ny olona ho irery Izy.

2-Mampahery ny mpiara-monina aminy

Isan’ireo mpanjaka niavaka i Asa nitaona ny olona mba hiverina sy hanompo an’Andriamanitra , ary koa nitarika ny olona handrava ny sampy.Manoloana izany dia nitsangana nampahery an’i Asa sy ny vahoakan’i Joda i Azaria, ilay nomen’Andriamanitra ny Fanahiny . Nambarany fa tamin’ny fotoana tsy nifandraisan’ny olona tamin’Andriamanitra no nisy ny tsy fiadanana ka niainan’ny olona tamin’ny fahoriana .Ny finiavan’ny olona hiverina amin’Andriamanitra kosa dia handraisana valimpitia avy Aminy , dia fiadanana sy fiainam-pitahiana .Ry Fiangonana ô ! ampaherezo ny mpiara-monina aminao mba hitoetra mandrakariva ao amin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Lazao izay andraikitra efa noraisinao teo amin’ny fiaraha-monina misy anao amin’ny maha- fiangonana nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYceuzGI' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43413) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200522' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.