Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny
Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Mey 2020
2 TANTARA 15.1-7
2 TANTARA 15.1-7
1 [Ny nananaran'i Azaria mpaminany an'i Asa, ary ny fahazotoan'i Asa handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah] Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda; 2 ary dia nivoaka hitsena an'i Asa izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ahy, ry Asa mbamin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy. 3 Ary efa ela ny Isiraely no tsy nanana an'Andriamanitra marina, na mpisorona mampianatra, na lalàna. 4 Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. 5 Ary tamin'izany dia tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka na izay niditra; fa horohoro be no nahazo ny mponina rehetra tamin'ny tany. 6 Ary nifandringana ny firenena sy ny tanàna, fa Andriamanitra nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana rehetra. 7 Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny
1-Maneho ny maha- Izy Azy an’ Andriamanitra
Notarihan’ny Fanahin’Andrimanitra i Azaria ka tsy nisalasala izy nanambara tamin’i Asa mpanjakan’i Joda ny toetran’ny fon’ny olona sy izay maha- izy Azy an’ Andriamanitra manoloana izany . Nambarany fa miankina amin’ny fihetsika na izay toetry ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra ny hetsika ataony .Rehefa manara-dia an’Andriamanitra ny olona ka manaiky hitady Azy , dia momba sy manohana azy hatrany Andriamanitra. Koa na dia misy aza ny toe-javatra samihafa miseho eo amin’ny fiainana dia tsy mamela ny olona ho irery Izy.
2-Mampahery ny mpiara-monina aminy
Isan’ireo mpanjaka niavaka i Asa nitaona ny olona mba hiverina sy hanompo an’Andriamanitra , ary koa nitarika ny olona handrava ny sampy.Manoloana izany dia nitsangana nampahery an’i Asa sy ny vahoakan’i Joda i Azaria, ilay nomen’Andriamanitra ny Fanahiny . Nambarany fa tamin’ny fotoana tsy nifandraisan’ny olona tamin’Andriamanitra no nisy ny tsy fiadanana ka niainan’ny olona tamin’ny fahoriana .Ny finiavan’ny olona hiverina amin’Andriamanitra kosa dia handraisana valimpitia avy Aminy , dia fiadanana sy fiainam-pitahiana .Ry Fiangonana ô ! ampaherezo ny mpiara-monina aminao mba hitoetra mandrakariva ao amin’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Lazao izay andraikitra efa noraisinao teo amin’ny fiaraha-monina misy anao amin’ny maha- fiangonana nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM