Ny olona tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Talata, faha 19 Mey 2020
2 TANTARA 20.14-17
2 TANTARA 20.14-17
14 Ary Jahaziela, zanak'i Zakaria, zanak'i Benaia, zanak'i Jeiela, zanak'i Matania, Levita amin'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'i Jehovah teo amin'ny fiangonana 15 ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin'ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an'Andriamanitra. 16 Rahampitso dia midìna hiady aminy ianareo; fa, indreo, hiakatra amin'ny fiakarana Ziza izy; ary ianareo hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny efitr'i Jeroela. 17 Tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen'i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.Ny olona tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra
Tamin’ny andron’i Josafata mpanjakan’i Joda dia nitsangana hiady taminy ny Moabita sy ny namany .Noho ny fahamaroan’ny fahavalo niady taminy dia raiki-tahotra i Josafata ka nivavaka.Namaly vavaka Andriamanitra ka nifidy an’i Jahaziela.
1-Mampahery amin’ny fotoan-tsarotra
Hoy ny voalaza : »Aza matahotra na mivadi-po… » .Izany no hafatra lehibe nambaran’ilay olom-boafidy no tarihan’ny Fanahin’Andriamanitra tamin’i Josafata mpanjaka sy ny mponin’i Joda .Teny fampaherezana izany manoloana ny tahotra noho ny fahitana fa maro be ny fahavalo sy noho ny fiheverana fa kely hery sy tsy afa-manohitra .Midika izany fa tsy maintsy resena ny tahotra sy ny horohoro satria efa nihaino ny vavaka izay natao Andriamanitra ka miasa ho famonjena.
2-Manome ny toromarika avy amin’Andriamanitra
Rehefa avy nampahery ny vahoakan’ Andriamanitra i Jahaziela dia nanolotra ny toromarika mba hiatrehan’i Josafata sy ny mponin’i Joda ny ady (and16).Mazava tsara eto ny toromarika fa tsy maintsy miatrika ady ny vahoaka , mila manaraka izay toro-làlana omena dia ny midina hiady ho famonjena azy ireo .Mampandresy azy ireo Andriamanitra .Miseho fa manana ny Fanahin’ ny fanoloran-tsaina ilay olom-boafidin’ Andriamanitra nirahiny ho eo amin’ny vahoakany .Izay tarihan’ny Fanahy Masina dia mahay manolo-tsaina hahazoana fandresena mandrakariva .
Fanontaniana :
Inona no anjara fanompoana tian’Andriamanitra omena ny olona izay nomeny ny Fanahy Masina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM