Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Mey 2020

EZEKIELA 37.1-14

EZEKIELA 37.1-14
1 [Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho. 2 Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo. 3 Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala. 4 Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah! 5 Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; 6 ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 7 Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy. 8 Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy. 9 Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy. 10 Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa. 11 Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay. 12 Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely; 13 ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo. 14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.

Ny olona nomen’Andriamanitra ny Fanahiny

1-Mankato an’Andriamanitra

Rehefa nomen’Andriamanitra ny Fanahiny ny mpaminany dia nentiny tamin’ny lohasaha feno taolana.Toa tsy manan-tsafidy , fa izay nitondran’Andriamanitra no nandehanany .Eny, toe-javatra azo ambara fa tontolo tsy misy fanantenana intsony no naseho azy , kanefa nasain’Andriamanitra hiasa ,haminany izy.Tsy niady hevitra izy fa hankato an’ Andriamanitra noho ny Fanahin’Andriamanitra izay nitarika azy .

2-Mahita fahombiazana

Rehefa tsy nisalasala ny mpaminany fa nankato ny baikon’Andriamanitra dia indro fa nahita vokatra .Nihetsika , nifanatona ,tonga nanana aina ireo taolana efa tsy nisy fanantenana teo aloha .Tsarovy fa rehefa manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika dia mahita fahombiazana hatrany amin’ny asa fanompoana nantsoana sy nanirahan’nyTompo antsika.

3-Mandray fiainana vaovao

Ireo taolana maina nomena fahavelomana indray ireo dia entina maneho ny fanarenan’Andriamanitra ny taranak’Israely.Manavao ny olona, manome fiainana vaovao azy ireo amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahiny ny Tompo (and14). Tsy ny Zanak’Israely ihany no tian’Andriamanitra omena fiainana vaovao fa ianao koa. Mangataha ny Fanahy Masina mba hitarika anao dia hotonga olom-baovao ianao.

Fanontaniana :

Lazao ireo toetra mampiavaka ny olona manana ny Fanahy Masina .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM