Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olom-boafidy
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 16 Mey 2020
1 SAMOELA 10.1-8
1 SAMOELA 10.1-8
1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? 2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako? 3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara*; [Na: siny hoditra] 4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany. 5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo. 6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. 7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. 8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny olom-boafidy
Ny nanosoran’i Samoela an’i Saoly ho mpanjakan’Israely no Soratra masina voalahatra ho antsika.Nambaran’i Samoela fa mifamatotra amin’izao fanosorana tamin’ny alalan’ny menaka izao no handraisan’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra izay hisy akony lehibe eo amin’ny fiainany .
2-Manavao
Mazava tsara ny teny » ho voaova ho olom-baovao« .Manavao tanteraka ny olona ny Fanahin’Andriamanitra tonga eo amin’ny fiainany .Manana fiainam-baovao sy mitafy toetra vaovao izay nomen’Andriamanitra ny Fanahiny. Isika rehetra ihany koa, izay efa nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompontsika ka nandray ny Fanahy Masina , dia tsarovy izao : raha ekentsika ho mpitarika antsika ny Fanahy Masina dia tonga olom-baovao, miaina amin’ny fiainana vaovao isika .
2-Mankato ny sitrapon’ Andriamanitra
Tsy hoe : lasa olom-baovao fotsiny ihany i Saoly fa « hiara-maminany »amin’ireo mpaminany mifanena aminy eny an-dàlana . Tonga mpaminany izay milaza sy manambara ny hafatr’Andriamanitra .Midika izany fa nohon’ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra dia tonga olona mandray, mankato ny sitrapon’Andriamanitra izy ary milaza sy manambara izany amin’ny hafa .Tsarovy fa raha manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina isika dia mandray sy mankato ny Tenin’Andriamanitra ary mizara sy manambara izany amin’ny manodidina antsika .
Fanontaniana:
Inona no fanavaozana nentin’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainanao ? Hazavao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM