Ny andraikitry ny mpisorona

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Mey 2020

ROMANA 15.14-21

ROMANA 15.14-21
14 Fa izaho koa, ry rahalahiko, dia matoky ny aminareo fa feno fahatsarana ianareo sady mahay mifananatra koa. 15 Kanefa amin'ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, 16 mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina. 17 Ka dia manana izay hataoko rehareha ao amin'i Kristy Jesosy aho noho ny amin'Andriamanitra. 18 Fa tsy sahiko lazaina izay zavatra tsy nampanaovin'i Kristy ahy, na tamin'ny teny, na tamin'ny asa, mba hampanaiky ny jentilisa, 19 dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina*, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy. [* Na: (Fanahin'Andriamanitra)] 20 Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho; 21 fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy nilazana Azy no hahita, Ary izay tsy nandre no hahafantatra (Isa. 52. 15).

Ny andraikitry ny mpisorona

1-Manao fanompoampivavahana

« ...mba ho mpanompon’i Kristy Jesoa ho an’ny Jentilisa aho ka manao fanompoampivavahana amin’ny itoriako ny Filazantsaran’ Andriamanitra » (and16a). Notendren’Andriamanitra hitory ny Filazantsara amin’ny Jentilisa i Paoly .Ny fanaovana fanompoampivavahana itoriana ny Filazantsara , hoy izy, dia anisan’ny asa amin’ny maha-mpisorona , ary nanao izany izy.Rehefa raisina ara-panahy toy izany izao teny izao dia hita fa tena mpisorona ny mpitondra fivavahana kristiana. Marina fa samy mpisorona avokoa ny mino rehetra, kanefa izao fampianaran’nyApostoly izao dia manome lanja bebe kokoa ny andraikiny aminn’y maha-mpisorona azy ireny ,dia ireo izay mitaiza sy mampianatra ary mitaona ny olona hanolotena ho an’i Kristy .

2-Manao fanatitra

« …mba horaisina amin’ny fankasitrahana ny fanatitra , dia ny Jentilisa rehefa nohamafisin’ny Fanahy Masina « .Tahaka ny mpisorona rehetra izay manao ny fanatitra ho an’ Andriamanitra ny Apostoly Paoly .Izy no mpisorona ary ny fanatitra dia ny Jentilisa, ary ny mpanamasina ny fanatitra dia ny Fanahy Masina .Ambarany fa tsy mba zavatra ara-nofo no nateriny fa ny « tena » izay nohamasinina.Tsy inona izany fa ny toe-panahin’ireo Jentilisa niova fo, rehefa nandre ny Filazantsara izay notoriny.Izany dia mampahatsiahy antsika ny teny hoe: »…mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona , masina , sitrak’ Andriamanitra , dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany  » (Rom 12.1).Ny fanolorantena eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no fanatitra ankasitrahan’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Inona no toe-panahy tokony hananana mialohan’ ny hanaovana fanatitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM