Ilay Andriamanitra mahatoky

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Mey 2020

LIOKA 12.8-12

LIOKA 12.8-12
8 Fa lazaiko aminareo: Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia heken'ny Zanak'olona kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra; 9 Fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holavina kosa izy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra. 10 Fa na zovy na zovy no hanao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay miteny ratsy* ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka.[*Gr. manao blasfemia; izahao Mat.9.3] 11 Ary raha mitondra anareo ho ao amin'ny synagoga sy ny mpanapaka ary ny manam-pahefana izy, dia aza manahy izay havalinareo, na izay holazainareo; 12 fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo amin'izany ora izany izay mety holazainareo.

Ilay Andriamanitra mahatoky

1-Miandany amin’izay manaiky Azy

Nambaran’i Jesoa fa tsy maintsy hiaritra fahoriana sy fanenjehana ireo mpianany , noho ny fijoroany ho vavolombelona .Tsy ho fampihemorana na fampitahorana no nilazany izany , fa mba hahatonga azy ireo hatoky sy hifikitra Aminy , na toy inona na toy inona karazana fandrahonana sy fanenjehana . Hoy indrindra Izy : « Na zovy na zovy no manaiky Ahy eo anatrehan’ny olona , dia eken’ny zanak’olona kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’ Andriamanitra «  (and 8) . Maro ny milaza tena ho kristiana , kanefa tsy sahy mijoro noho ny tahotra ny tsy ho mamy hoditra eo anivon’ny fianakaviana sy ny mpiara-monina .Maro amin’ny tanora ankehitriny tsy sahy mijoro ho vavolombelon’i Jesoa , fa matahotra ho esoin’ny namany . Aza mba ho isan’ireny !

2-Tsy miandany amin’izay mandà

« Fa izay mandà Ahy eo anatrehan ‘ny olona dia holavina kosa izy eo anatrehan’ny anjelin’ Andriamanitra » (and9) . Matahotra mafy isika raha sanatria ka hihatra amintsika ny Tenin’ny Tompo hoe : »Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay .Mialà Amiko ianareo mpanao meloka » (Mat 7.23). Tsy sitrak’ Andriamanitra ny hahavery antsika.Izany no hanambarany izao teniny izao . Saropiaro amintsika Izy .Tiany hanana firaisana tsy tapaka Aminy isika. »Aza matahotra izay mamono ny tena…Matahora izay manam-pahefana hanary any amin’ny helo » (and4,5). Mahatoky Andriamanitra ka tsy mamela antsika alaim-panahy mihoatra noho izay zakan’olombelona.Ny Fanahy Masina no manome hery antsika hahafahana mijoro ho vavolombelony (Asa 1.8).

Fanontaniana :

Marina ve fa  » ny mpaminany tsy masina an-taniny ? »hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MYJ5vxwM' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43401) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200510' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.