Ny asan’ny Fanahy Masina ao am-pon’ny olona

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Mey 2020

JAONA 14.15-26

JAONA 14.15-26
15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankat? aminareo Aho. 19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo. 20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. 22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. 24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray izay naniraka Ahy. 25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra*, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. [Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]

Ny asan’ny Fanahy Masina ao am-pon’ny olona

« Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo » (Jao 14.26)

1-Mampianatra ny zavatra rehetra nambaran’iJesoa

Nampianatra ny mpianany tamin’ny teny Jesoa , kanefa indraindray dia tsy azon’ireo mpianatra ny hevitry ny fampianarany .Matetika isika no toa azy ireo : tsy mahatakatra izay tian’ Andriamanitra ambara sy hitondrana ny fiainantsika , tsy mahatakatra ny hevitry ny Soratra masina izay novakiana na notoriana tamintsika , tsy mahatakatra ny zava-dalina momba ny toriteny sy ny Batisa mbamin’ny Fanasan’ny Tompo . Mila mpampianatra hendry isika mba hahalantsika izay tena sitrapon’ Andriamanitra . Ny Fanahy Masina izay irahin’ny Ray antsika hahalala izay lazain’ny Tenin’ Andriamanitra.

2-Mampahatsiaro ny zavatra rehetra nolazain’i Jesoa

Mora manadino tahaka antsika ihany koa ireo mpianatr’i Jesoa . Tena ilaina ny asan’ny Fanahy Masina mba hampahatsiaro izay teny rehetra nambaran’i Jesoa tamintsika, indrindra fa rehefa miatrika zava-tsarotra isika. Ny Fanahy Masina no hisolo tena an’i Jesoa , ka hiara-dàlana amin’ny mpianany sy ny fiangonana , hampahatsiahy ny zavatra rehetra efa nolazain’ny Mpaminanin’Andriamanitra hatrizay , mba tsy hahatonga antsika hanana fanahiana. Eo anatrehan’ny ady sarotra amin’ny fijoroana ho vavolombelona , toy izao areti-mandringana ny firenena maro izao no isehoan’ny voninahiny ao amin’ny fiangonana.Mampahery antsika Izy , mampionona antsika , misolo vava antsika , ary indrindra mampiorina ny fanantenana ny fiaviany indray handray antsika ho any Aminy .

Fanontaniana:

Misy vokany aminao ve ny fanomezana ny Fanahy Masina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM