« Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara… » (and27)

Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Mey 2020

JAONA 15.26-27

JAONA 15.26-27
26 Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16] 27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.

« Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara… » (and27)

Hafatra roa lehibe no ampitaina amintsika fiangonana:

1-Satria nahita sy nandre ianareo.

Mitodika amin’ireo mpianany izany hafatra izany , nefa koa mitodika amintsika fiangonana ankehitriny . Ny hoe: vavolombelona dia ilazana olona nahita sy nandre , ary izay andrasana aminy dia ny hilaza ny marina araka izay hitany sy reny .Ny Fiangonana no sahy mijoro ho vavolombelona , satria nahita sy nandre ary nahatsapa ny fanatrehan’ilay Teny tonga nofo , nonina tamintsika , niasa , niteny ary nanaiky ho faty hamonjy izao tontolo izao , nitsangana tamin’ny maty ho santatr’izay rehetra efa nodimandry .Izany fitsanganany tamin’ny maty izany no mariky ny fahavitany ny asam-panavotana ho an’izay rehetra mino .

2-Satria miasa aminareo ny Fanahy Masina

Tsy ampy haha-vavolombelona hanambara Azy ny hoe : nahita sy nandre . Maro tamin’ireo niara-belona tamin’i Jesoa fony Izy tety an-tany no nanana izany tombotsoa izany , kanefa tsy tonga vavolombelony .Maro tamin’izy ireny aza no nandà Azy… Taty aoriana , rehefa nilatsahan’ny Fanahy Masina ireo mpianatra vao tonga vavolombelon’i Jesoa .Hoy ny teny fampanantenana nomen’i Jesoa : »Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanhy Masina aminareo , ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany  » (Asa 1.8). Ny olona efa nandray ny Fanahy Masina no afaka hijoro ho vavolombelona hanambara an’i Jesoa, dia izay mahafantatra Azy, sady manana firaisana lalimpaka Aminy , tahaka ny voaloboka sy sampana.

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahasahiantsika mijoro ho vavolombelona?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Erreur de la base de données WordPress : [Error writing file '/tmp/MY3caRJM' (Errcode: 28 - No space left on device)]
SELECT SQL_CALC_FOUND_ROWS wp_posts.ID FROM wp_posts INNER JOIN wp_postmeta ON ( wp_posts.ID = wp_postmeta.post_id ) INNER JOIN wp_postmeta AS mt1 ON ( wp_posts.ID = mt1.post_id ) WHERE 1=1 AND wp_posts.ID NOT IN (43397) AND ( wp_postmeta.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND ( ( mt1.meta_key = 'date_du_lecture_journaliere' AND CAST(mt1.meta_value AS DATE) < '20200506' ) ) ) AND ((wp_posts.post_type = 'mofonaina' AND (wp_posts.post_status = 'publish' OR wp_posts.post_status = 'acf-disabled'))) GROUP BY wp_posts.ID ORDER BY wp_postmeta.meta_value DESC LIMIT 0, 3

Tsy misy mofonaina hafa hita.