Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Mey 2020
MPITSARA 6.33-40
MPITSARA 6.33-40
33 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela. 34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita. 35 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo. 36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao, 37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao. 38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia. 39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina
1-Miaraha miasa
Gideona no nantsoin’ Andriamanitra hanehoany ny heriny ka hanafahana ny Israely amin’ny fampahorian’ny Midiana .Tsy mihambo ho mahavita irery izy fa niantso olona hiara-miatrika ady aminy . Nandefa iraka nankany amin’ny taranak’i Manase izy mba hiantsoana ny vatan-dehilahy rehetra hanampy azy. Mbola nandefa iraka tany tonga nanampy azy ny vatan-dehilahy tamin’ireny (and34-35) . Hitantsika amin’izany fa hainy ny tokony nataony amin’ny maha-mpitarika azy.Ilain’ny mpitarika ny fahaizana mitrandraka sy mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny tsirairay . Ny fiaraha-miasa ombam-piombonana no antoky ny fahombiazana eo amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra satria zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana .
2-Aza matoky tena
Na teo aza ireo vatan-dehilahy matanjaka dia tsy natoky tena i Gideoana . Nanontany ny Tompo matetika izy , ka nila famantarana , mba ho azony antoka fa momba azy ny Tompo . Te-hahazo toky izy raha sitrak’ Andriamanitra tokoa ny zavatra hataony . Fantany fa tsy ny heriny amin’ny maha-olona azy no hahafahana miady sy manao ny asa izay asain’ny Tompo hotanterahina (and36-40).Rehefa azony toky tanteraka fa momba azy ny Tompo , dia izay vao niroso izy. Ny fanaovana ny asan’Andriamanitra dia mila fifandraisana matotra Aminy .Izay mahatsapa fa momba azy ny Tompo no handresy amin’ny ady rehetra izay atrehana . Hoy i Jesoa : »fa raha misaraka amiko kosa ianareo , dia tsy mahay manao na inona na inona « (Jao 15.5b).
Fanontaniana:
Azona antoka ve fa miandany aminao i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM