Ny olona mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Mey 2020
ASAN'NY APOSTOLY 11.7-14
ASAN'NY APOSTOLY 11.7-14
7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio. 9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady. 10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany. 11 Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko. 12 Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay. 13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; 14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.Ny olona mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina
1-Tsy manavakavaka olona
Ren’ny Apostoly sy ny mpino tany Jodia fa efa nandray ny Tenin’ Andriamanitra koa ny hafa firenena. Nanahirana azy ireo ny nieritreritra izany ka nahatonga azy hanadihady an’i Petera. Ny fahitana izay niseho tamin’i Petera mahakasika ireo biby maloto izay nasaina nohaniny (and7-10) no mamaly sy manazava izany. Ireo biby maloto dia milaza ireo olona hafa firenena izay noheverina hatrizay fa tsy mba isan’ny olom-bonjena.Ankehitriny dia azo vonjena avokoa ny olona rehetra , na Jiosy na Jentilisa . Noravan’Andriamanitra ny efitry ny fisarahana tamin’ny nanirahany an’i Jesoa Kristy hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao . Mandray ny hafa firenena ho isan’ny vahoakan’ny fanjakan’Andriamanitra .Fa hoy ny voasoratra : »dia nasain’ny Fanahy hiaraka tamin’ireo aho ka tsy hizaha tavan’olona na dia kely akory aza » (and12) .
2-Mitory teny momba ny famonjena
« …Izy hilaza teny aminao , izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra » (and14). Nambaran’ny anjely fa ny anton-dian’i Petera ho ao aminy dia ny hitondra famonjena ho azy sy ny ankohonany rehetra.Ho diso fanantenana ny olona raha toa ka zavatra hafa ankoatra ny famonjena nataon’i Kristy no hahatongavan’ny fiangonana any an-tokantranony .Aoka tsy ho laniana amin’ny resadresaka tsy mahasoa ny fotoana famangiana sy fanaovana tafika masina .Misy mantsy amin’ireny olona novangian’ny fiangonana ireny no nihevitra mihintsy fa novangian’ny anjelin’ny Tompo . Marina izany , satria iraka hitory teny momba ny famonjena ho azy sy ny ankohonany ny mpino.
Fanontaniana:
Mbola misy fanavakahana ve any am-piangonana? Hazavao
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM