Ny olona  mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Mey 2020

ANKATOAVY NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA

1 KORINTIANA 6.12-20
12 [Ny amin'ny fijangajangana tsy azo atao ho isan'ny zavatra tsy mampaninona, tahaka ny hanina samy hafa] Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona. 13 Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena. 14 Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin'ny heriny. 15 Tsy fantatrareo va fa momba ny tena'i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan'i Kristy va aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan'ny vehivavy janga? Sanatria izany! 16 Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin'ny vehivavy janga dia tena iray aminy? fa hoy Andriamanitra: Ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). 17 Fa izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. 18 Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon'ny olona dia eny ivelan'ny tena ihany; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin'ny tenany. 19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. 20 Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.

Ny olona  mankato ny fitarihan’ny Fanahy Masina

1-Olona afaka (and12-14)

Noho ny asam-panavotana izay nataon’I Jesoa  Kristy  dia voasasa ho  afaka  amin’ny fahotana ny  mpino , voatokana ho vahoakan’ Andriamanitra , nohamarinina tamin’ny Anarany ary itoeran’ny Fanahy Masina . Efa natsangan’ny Tompo ho velona araka ny heriny isika (and14) ka tonga olona afaka  . Afaka tamin’ny fanandevozan’ny lalàna  sy ny fanandevozan’ny fahotana . Ny fitarihan’ny Fanahy Masina  no mampahalala antsika izay tokony hatao sy tsy azo atao . Tsy noho ny lalàna , fa safidy malalaka no anaovantsika ny sitrapony , satria ekentsika fa izany  no mahasoa. Miombona amin’ny Apostoly  Paoly izay rehetra mino  ka milaza hoe: “ny zavatra rehetra azoko atao  , nefa tsy dia àry mahasoa avokoa ny zavatra rehetra , ny zavatra rehetra azoko atao  , nefa izaho  tsy  mety  handevozin-javatra na inona na inona (and12).

2-Olona momba ny tenan’I Kristy (and18)

Momba  ny tenan’I Kristy ny mpino, izany hoe: anisan’ny tenan’I Kristy  , Tempolin’ny Fanahy Masina  .Raha izany no izy , dia tsy hanana anjara toerana velovely ao aminy ny fijangajangana , tsy mendrika hotononina akory  amin’ny maha-kristiana izany . Tsy afaka  miaraka ny maha-kristiana sy ny fijangajangana. Fisarahana tanteraka amin’i Kristy ny fijangajangana. Fisarahana tanteraka amin’i Kristy ny fijangajangana : “moa hanala ny momba ny tenan’I Kristy  va aho  ka hanolotra izany  ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany !” . Aoka hampiasaina hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ny tenantsika  (and 20).

Fanontaniana :

Ahoana ny hevitry ny fiangonana manoloana ny fanentanana momba ny fanabeazana aizana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM